Ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco dia mampanao fifaninanana ho an'ny tanora maneran-tany, manan-talenta amin'ny fanatontosana horonan-tsarimihetsika. "Don Bosco Global Youth Film Festival" (DBGYFF) no anaran'ny fifaninanana, ary amin'ity taona ity dia mifototra amin'ny lohahevitra hoe "Onenan'ny fanantenana".
Andriamanitra dia manasa ny olony mba hanaiky sy hatoky azy amin'izay rehetra atao. Ny Soratra Masina ao amin'ny Boky Fanisana 13, 1 dia manaporofo izany satria Izy dia efa nampanantena ny zanak'Israely ny anomezany ny tany Kanàana azy. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
♦ Milaza ny tsy mametraka olana amin'ny isan'ireo minisitra anaty Governemanta vaovao avy amin'ny M.M.M. ny filohan'ity antoko ity. Nilaza androany, Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo fa ny vokatry ny asan'ireo minisitra avy aminy no tena zava-dehibe... ♦ Mbola miandry ny fanomezana ny volan'ireo orinasa misehatra amin'ny asa vaventy nisahana ny fikojakojana ny lalam-pirenena, hoy ny Minisitry ny Asa Vaventy, androany. Mbola misy manko ny fanadihadian'ny Governora isam-paritra momba ny asa vitan'izy ireo...
♦ Ny Federasionina "Milano rika" dia ivondronan'ireo fikambanana mpanjono madinika miisa 15, izay ahitàna mpanjono miisa 700 any amin'ny tapany atsimon'i Madagasikara. Ny mpikambana sy ny vondron'olona ifotony dia vonona ny hiaro ny rika sy ny harena ao anatiny... ♦ Ny akanga : karazam-borona avy aty Afrika, misy karazany dimy manerantany fa karazany iray ihany no misy eto Madagasikara. Voasokajy ho isan'ny fianakaviambe ny antsoina hoe : "fasianides" ny akanga...
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco