Ny olom-banona dia olona tia filaminana, tia fihavanana, manana toetra tia fifanajàna. Na arahaba aza no atao amin'ireo olona heverina ho sahirana sy tsinotsinona ireny dia ampy hampiova ny sainy hivoatra. Ny safidy amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolon-tsaina dia fototry ny rafitra izay afahana mampandroso ny firenena miainga amin'ny kaominina. Ny olom-pirenena izay miisa 13 tapitrisa no antoky ny fampandrosoana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fanaovana vaksiny hy reny sy ny zaza dia tetik'asan'ny Fanjakàna foibe. Ny hetsika rehetra natao sy hatao ao anatin'ny volana oktobra dia entina hiadiana sy hisorohana aretina maro. Ny volana oktobra dia volana natokana hiadiana sy hisorohana ny homamiadan'ny nono. Ny homamiadan'ny nono dia mety hahazo ny sokajin'olona rehetra, lahy vavy ; any Erôpa dia 1 amin'ny vehivavy miisa 8 no tratran'io homamiadana io... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
23 ôktôbra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 39-48)
♦ Mizotra araka ny tokony ho izy ny iraka nataon'ny delegasion'ny CENI tatsy Afrika Atsimo, momba ny fanontana ireo antontan-taratasy hiatrehana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina... ♦ Natolotra ny Fitsarana teny Anosy androany ireo olona miisa 24, tra-tehaky ny zandary tamin'ny fanapohana solika tany Toamasina... ♦ Maherin'ny 90%-n'ny Malagasy no mbola mampiasa arina fandrehitra sy kitay ahandroana sakafo. Nampahafantarina amin'ny fomba ôfisialy androany ny fikambanana hamondronana ireo orinasa sy fikambanana misehatra amin'ny fampiroboroboana ny angovo madio...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco