Alahady 5 febroary 2023 — Alahady Tsotra fahadimy Mandavantaona — Taona A — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no manana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 13-16)
Ny 04 febroary no andro maneran-tany ho an'ny ady amin'ny homamiadana. Ny loha-hevitra amin'ity taona ity dia : "Ho fandraisana an-tanana mitovy, dia hatambatsika ny hery hiadiana amin'ny homamiadana". Ny homamiadana dia aretina vokatry ny fianaky ny sela izay lasa tsy ara-dalàna sy mitombo be loatra. Ny faritra rehetra amin'ny vatan'olombelona dia mety ho voan'ny homamiadana daholo, fa ny mateti-pitranga dia ny homamiadan'ny nono sy ny vozon'ny tranon-jaza ary ny "prostate". Fambara : Fivontosana, mihareraka, fanaintainana, mandeha ra ; tsy misy afatsy ny fanaovana fitiliana anefa no hamantarana ny tena zava-misy. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Nankahery ny fianakaviam-be saleziana amin'ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fanabeazana ny tanora, ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, tamin'ny fankalazana ny fetin'i Masindahy Joany Bosco, ny talata 31 janoary 2023... ♦ Feno 25 taona katroka tamin'ny 31 janoary 2023 ny Radio Tsiry ao Fianarantsoa... ♦ Nanomboka ny 31 janoary 2023 ny fitsidihana apôstôlika faha-40 ataon'ny Papa François...
Nanao tombana momba ny fampiharana ny drafitra itantanana ny ivon-toeram-panofanana na ny "projet d'établissement tamin'ireo ivon-toerana nanaovana andrana, ny tambazotran'ny ivon-toerana manofana momba ny asa famokarana eny ambanivohitra na ny tambazotra FARMADA. Atrik'asa nataon teny Antaninarenina ny faha-20 janoary 2023...
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco