Ny firaisan-kina manova zavatra maro eo amin'ny fiainana. Ny sehatra rehetra misy fifandraisana, fifaneraserana dia ilàna firaisan-kina satria izany no fototry ny fandrosoan'ny tsirairay. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny fandaminana ny fandaharam-potoanan'ny ankizy dia miankina amin'ny taonany sy ny filàny. Manomboka eo amin'ny fahadimy taonany farafahatarany no hanabeazana ny ankizy kanefa hajaina ny filàny mba hampivelatra azy ara-tsaina. Ireo filàna fototra tsy azo hiodivirana dia ny torimaso sy ny sakafo, lalao sy fanantanjahantena... Ilain'ny ankizy ny fivoahana ivelan'ny trano mba ahafahany mandinika sy misintona lesona eny amin'ny fiaraha-monina sy mankafia ny tontolo iainana. Atao anatin'ny fandaharam-potoanan'ny ankizy ny fiarahana manao zavatra amin'ny lehibe : miresaka, milalao, mikirakira fitaovana, mamaky boky. Tokony tandremana ny fisafidianana olona hiandraikitra ny zanaka mandritra ny tontolo andro...
Alarobia 8 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambaràna avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 14-23)
♦ Nahatsiaro ireo 49 mianadahy lavo noho ny tolona ho an'ny fahafahana sy ny fijoroana ho an'ny fitiavan-tanindrazana, tamin'ny 7 febroary 2009, ny fitondram-panjakana notarihan'ny Filohan'ny Repoblika... ♦ Mandrahona ny hiverina hitokona sy hanamafy ny hetsika fitakiana indray ny sendikan'ny Mpirakidraharaha... ♦ Namaky bantsilana ny fomba tsy ara-drariny sy tsy ara-dalana nahazoan'ny olona tany 9 hektara eny amin'ny Kaominina Alasora, Distrikan'Antananarivo Avaradrano, androany, ny Transparency International Initiative Madagascar sy ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananan-tany...
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco