Alarobia 8 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambaràna avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 14-23)

Mitohy hatrany ny fampianarana entin’i Jesoa eto amin’ny alalan’ny fanoharana. Eto dia mahakasika ny zavatra any ivelan’ny olona sy ny ao anatin’ny olona no resahany. Eny fa na dia ireo mpianany aza dia tsy mahazo izay tiany ambara ka nahazo teny mafy taminy: “Hay ianareo koa mba kely fahalalana toy izany”.

Notsindrian’i Jesoa mazava tsara àry, fa ny hanina rehetra dia tsy misy ratsy satria avy aty ivelan’ny olona no mankao ao anatiny. Ny ratsy noho izany, dia tsy avy aty ivelany ary tsy misy hidiran’ny hanina izay tonga ao anatintsika ao. Fa ny ratsy dia ao anatintsika olombelona ao mihitsy. Avy amin’ny fontsika noho izany, no mahatonga izao karazam-paharatsiana izao, ary mila diovina mandrakariva izany amin’ny alalan’ny fahasoavana izay entin’i Kristy ho antsika, dia ny fiekentsika ny maha ratsy ny ao anatintsika ao sy ny fahavononantsika hiezaka hiala amin’izany.

Ny tanjon’Andriamanitra amintsika olombelona mantsy dia ny famonjena. Ka ilana fanadiovana mandrakariva ny ao anatintsika ao raha te ho voavonjy isika, satria ny fahotana no mandoto izany.

Tompo ô, omeo fo madio izahay handresy ny ratsy amin’ny tsara.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...