Tsy mifanohitra ny fiainana andavanandro sy ny fiainana maha-kristianina fa mifameno tokoa ary tena mampivelatra ny maha-olona raha hita ilay lalam-baovao tokony hizorana. Ny fiaraha-miasa amin'Andriamanitra voalohany dia ny fanohizana sy fanatsarana ny asa-pahariana efa nataony. Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.
♦ Tontosa teny amin'ny Cénacle Ambohipo, ny 10 hatramin'ny 13 nôvambra 2022 ny Filankevitra Nasiônalin'ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Ankizy... ♦ Ny mikasika ny dikan'ny faharetana no fampianarana nentin'ny Papa François, nitarihana ny sain'ny mpino, ny alahady 13 nôvambra 2022, nandritra ny vavaka Angelus... ♦ Mpikambana 150 amin'ireo mpilatsaka antsitrapo iraisam-pirenena, mivondrona ao amin'ny Fédération des Organismes Chrétiens de Service International de Volontariat, no nihaona tamin'ny Papa François, androany maraina...
Rehefa dinihina dia tsapa fa maro ireo zavatra tsy tafita amintsika mpanabe sy ray amandreny ankehitriny. Mila fiheverana akaiky ny amin’izany, mila fandinihana lalina koa, mba hiarenan’ny fiaimpiainana sy ny fomba fiheverana ary ny fomba fisainana mety mivaona na mitsipaka tanteraka ny soatoavina ambony indrindra, dia ny fiarovana sy fiahiana ny AINA.
Alahady 13 nôvambra 2022 — Alahady Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Miambena ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 5-19
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco