Rehefa dinihina dia tsapa fa maro ireo zavatra tsy tafita amintsika mpanabe sy ray amandreny ankehitriny. Mila fiheverana akaiky ny amin’izany, mila fandinihana lalina koa, mba hiarenan’ny fiaimpiainana sy ny fomba fiheverana ary ny fomba fisainana mety mivaona na mitsipaka tanteraka ny soatoavina ambony indrindra, dia ny fiarovana sy fiahiana ny AINA.

Ny Aina manko no iorenan’ny Fihavanana, ary ny fifampizaràna ny manta sy ny masaka no mikolokolo ny fiombonana sy ny firaisankina, sady fototry ny fandriampahalemana. " Izay iray Vatsy iray Aina ", koa rariny sy hitsiny ny mpiray Firenena sy mpiray Tanindrazana raha hifanohana sy hifanasoa ary hifamonjy sy hifanome tanana, miezaka andro aman’alina miaro ny Aina sy ny soa iombonana. Adidy arak’izany ny mikolokolo sy miaro ireo fananana iombonana: rano, jiro, renirano, lakan-drano sy kanaly, toeram-piasana, birao, sekoly, hôpitaly, làlana, fanariam-pako, toeram-pidiovana, toeram-pilalaovana, zaridaina, tsena …sns… na miankina na tsy miankina amin’ny Fanjakana izany. Natao hanampy antsika hahalala izay tokony hatao sy harahina moa ireo boky momban’ny fitaizana sy fanabeazana ny maha-olona feno sy ny olona manontolo. Ohatra: Fifampitaizan’ny mpiara-belona (Collection " Fanabeazana sy Fifampitaizana " ary efa nivoaka ny laharana voalohany, N° 1, Antananarivo 2022).

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...