Nahazo vokatra tsara amin'ny fikarohana nataony momba ny zezika kankana Andriamatoa Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Nivoatra dia nivoatra mantsy ny vokatra azo na tamin'ny fiompiana kankana na ny famokarana zezika ary indrindra ny vokatr'izany tamin'ny fampiharana azy amin'ny fambolena...
Manao ny tomban'ezaky ny Fandaharana EVA niandraiketany ny solontenan'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Pastooralin'ny Fahasalamana. Tsiahivina ny loha-hevitra nifampizarana nandritra ny taona ary angatahina amin'ny mpihaino ny heviny sy ny soso-kevitra hanatsarana sy hifampizarana amin'ny taona ho avy. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara...
Vokatry ny asa eo amin'ny fiaraha-monina sy ny ara-piarihana : tsy mitoetra ho an'ny olona izay miasa irery ihany ny vokatry ny asany fa misy vokany eo amin'ny fiaraha-monina mihitsy. Na dia ny hiveloman'ny mpiasa aza no antony tany am-piandohana dia tombontsoa ho an'ny rehetra iny avy eo. Mba tsy hiankinan-doha na hanararaotra ny hafa dia mila miasa ary miala amin'ny toe-tsaina "omeo omeo lava" ny olona. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
♦ Misy sahady ny fitsabahan'i Lafrantsa amin'ny fananganana Governemanta eto Madagasikara, hoy ny mpamakafaka raharaha pôlitika, Toavina Ralambomahay. Nambarany fa hita taratra izany tamin'ilay taratasy fiarahabana nalefan'ny Filoha frantsay... ♦ Nidoboka eny amin'ny fonjan'i Tsiafahy ireo mpitandro ny filaminana voarohirohy tamin'ilay tranga fakana an-keriny tany Ankazobe. Nisy ireo naiditra am-ponja sy ireo napetraka ambany fanaraha-mason'ny Fitsarana... ♦ Nidinika teny Mahazoarivo androany ny Governemanta mpisolo toerana sy ny Vondron'ny mpandraharaha ara-tsolika...
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco