Ny fahaizana mihaino ny hafa dia isan'ireo fanalahidin'ny fahombiazan'ny fiainana ary mahatsara azy. Hampirindra ny fiainana dia mifampihainoa isika olona rehetra : ny mpivady, ny mpianaka ary ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Tamin'ny fomba fiheverana teo aloha, ny atao hoe aina tamin'ny malagasy dia : lahitokana ny aina ; tsy ananam-piry ny aina ; tavim-bilany ny aina ka tsy hita izay havakisany ; fofon'andro ny aina ka tsy hita izay halevonany. Isan'ny soatoavina malagasy ny fitandrovana ny aina. Ny aina dia avy amin'Andriamanitra, vokatry ny fitiavana. Mety marary ny aina, re ny aina izay zavatra ratsy ahatra aminy. Mba hankamamiana ny aina dia zava-dehibe ny fanabeazana. Tena mbola mankamamy ny aina ny malagasy porofon'izany ny fahitana ireo olona mamonjy tobim-pahasalamana. Ny zava-misy ankehitriny dia voakatry ny fanalana ireo taranja nanabeazana ara-pitsipi-pitondrantena sy fanabeazana ho olom-pirenena.
Alarobia 30 nôvambra 2022 — Masindahy André, Apôstôly — Fankalazana — Avia hanaraka Ahy, hoy ny Tompo fa hataoko mpanarato olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 4, 18-22
♦ Notanterahan'ny CENI androany, ny atrikasa tomban'ezaka anatin'ny antsasa-dalana amin'ny fanavoazana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana nasiônaly. Mbola vao ny 37%-n'ny tanjona napetraky ny CENI no tratra, roa volana aty aorian'ny nanombohan'ny asa... ♦ Mifanakalo hevitra sy mamantatra ny zava-misy mandrindra ny roa andro eny Alarobia, amin'ny fifanakalozana ara-barotra eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, mandritra ny dinika nasiônaly amin'ny fanamby amin'ny ZLECAF, ireo mpisehatra amin'izany...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco