• Miverina amin'ny fampiasana ny Lalam-panorenana teo aloha ny fitondrana ankehitriny, tarihin'ny Kolonely Michaël Randrianirina. Namoaka fanambarana momba izany ny Filankevitra ho an'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny hariva teo... • Hambara ampahibemaso ny alatsinainy izao ny vokatry ny fanadihadiana momba ny nahatongavan'ny Praiminisitra teo aloha Christian Ntsay sy Mamy Ravatomananga tatsy Maurice... • Nitory eny amin'ny Fitsarana, ny Depiote Antoine Rajerison, momba ny nanjo azy tao aorian'ilay fisamborana teny Tsiadana. Anisan'ny nanaovany fitoriana ny fanerena azy alaina sary niaraka tamin'ny basy...
Ho fanesorana ny firenena anatin'ny olana misy ankehitriny dia ilay any finiavana, anjara biriky hisian'ny fifanajàna sy fihavanana, fifampihainoana ary fifanampiana. Miainga sy miankina amin'ny tsirairay ny mety hatsara ny fiainam-pirenena, mifototra indrindra amin'ny firaisan-kina. Firaisan-kina mitondra amin'ny fivoarana sy fandrosoana, hiteraka filaminana. Miorina amin'ny safidy ihany koa anefa ny lalam-piainana rehetra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny famaritana ny "hanim-pitoloha na hanina fitoloha" dia nivoatra nifanarana tamin'ny fotoana, ka eo izay nangonin'ny Pretra misiônera Zezoita Georges Callet, fa eo koa izay araky ny firaiketana nataon'ny Pastora Ravelojaona. Nanodidina ny vanim-potoana nitondran'ny Mpanjaka Ranavalona-II dia noentina nanantanerahana fomba iray, ho an'ny vehivavy misantatra ny fanenomana landy, eo amin'ny zoro firariazana no hitsofan-drano io olona io ary hanomanana sakafo : Akoholahy mena, akondro vokatra, patsa, toho, sira, horirika, vary. Tara-kevitra avy amin'ny hoe fitoloha : fahavelomana, fahafenoana, fahatanterahana, fahatsaràna, fihavahana, famokarana ary fahavononana.
Ireo apôstôly dia nanao toriteny nombana fahatakarana satria efa nandray ny Fanahy Masina, ka afaka nahafantatra sy nahatakatra tsara ny maha izy azy an'i Jesoa. Azo ambara fa Jesoa ara-teôlôjika no ambaran'ny mpanoratra ny Evanjely. Jesoa efa fantany sy azony mazava tsara no ampitainy, efa voafakafaka lalina tsara. Tamin'ny niara-niaina tamin'i Jesoa ireo apôstôly dia mbola tsy nahazo hoe iza marina izy... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco