Ny fiainana andavanandron'i Jesoa dia nikatsaka ny fanjakan'Andriamanitra "Tompon'ny lanitra sy ny tany, tompon'ny fanjakàna rehetra". Mazava izany araka izay voasoratra ao amin' Matio : "koa katsaho àry aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny... Katesizy momba ny vavaka nampianarin'ny Tompo, iarahana amin'i P. Wagner Randriamapandry.
22 desambra 2024 — Alahady fahefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo — Inty aho mpanompovavin’ny Tompo: aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-45)
Alahady faha-4 — taona "D", fiavian’ny tompo : Indro tonga ny mpamonjy, eo afovoantsika ; Inty aho mpanompovavin’ny Tompo: aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao. Vehivavy roa samy mitondra vohoka ary samy mahatsapa ny fitiavan'Andriamanitra azy : I Maria sy Elisabeth. Andriamanitra dia tia antsika ary manao izay hampirindra ny fiainantsika Izy. Misy fomba maro hahatanteraka io asan'Andriamanitra io amintsika dia : fandinihana ny sitrapony, fanatanterahana ny sitrapo amim-pitiavana, fanetren-tena. Ohatra tsara ho antsika i Maria sy Elisabeth, tsara fifandraisana ary mifampizara, mifanatsara, mifankatia...
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco