Ny sabotsy 31 jolay 2021 tamin'ny 2 ora sy sasany folak'andro lasa teo, oran'ny Roma, no notanterahana ny fivoriambe nataon'ny tompon'andraikitry ny MSJ (Mouvement Salésien des Jeunes) na Firohotan'ny Tanora Salezianina maneran-tany, izay niarahan'izy ireo tamin'i solontenan'ny pastoralin'ny tanora sy ny mpandrindra an'ity MSJ ity. Araka ny atontan'isa dia nahitana mpandray anjara miisa 130 tamin'ity fivorianam-be ity.
Mila mahay manome fitiavana sy mandray fitiavana isika. Mila fandinihantena izany rehefa mifarana ny tontolo andro. Tena fanazarantena ilaina izany hanatsara ny fiainantsika sy ny manodidina antsika, ary mamporisika antsika hifandray amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Nanomboka tamin’ny 26 Aogositra 2021 lasa teo ny fiofanana tao amin’ny sekoly iray izay tantanan’ny Salezianina ao Amerika. Sekoly mampiofana ny olona eo amin’ny lafin’ny fifandraisan’ny mpiara-belona. Miisa 83 ireo mpandray anjara ao anatin’izany sampam-piofanana momban’ny serasera izany, ary avy any amin’ny provinsy efatra ambin’ny folo mampiasa ny fiteny espaniôla.
Alarobia 1 septambra 2021 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 38-44
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco