Ny firotsahana an-tsitra-po sy fahavitrihana eo amin'ny fiainan'ny fiaraha-monina no antsointsika etoana hoe- : fandrasiana andraikitra. Ny olombelona rehetra dia tsy maintsy manao izay ho afany mandray anjara eo amin'ny fiainan'ny fiaraha-monina. Adidy : ny firotsahana hiandany amin'ny fandriam-pahalemana, ny fandaminana ny fahefam-panjakana, ny fitandrovana ny tontolo iainana. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
♦ Nanomboka androany tatsy Addis-Abeba, Etiôpia, ny "Sinaody Eglizy miara-dia", dingana kaontinataly ho an'i Afrika. Mahatratra 206 ireo mpandray anjara avy amin'ny faritra ao Afrika sy avy aty Madagasikara... ♦ Niverina ao amin'ny Lakandranon'i Môzambika, androany maraina, ny sisan'ilay rivodoza Freddy. Mantanjaka ireo tangoron'oram-baratra miaraka aminy, saingy mbola lavitra ny foibeny, hoy ny Sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro... ♦ Tafakatra 94% ny taham-pandoavan-ketra teto amintsika tamin'ny taon-dasa. Vola 3608 miliara Ariary no niditra anatin'ny kitapom-bolam-panjakana, noho ireo fampidiran-ketra samihafa...
Tena ilaina ny filaminana satria miteraka filaminan-tsaina, filaminam-po, filaminam-panahy ; mba hitondra fiadanana sy fifaliana eo amin'ny tsirairay, eo amin'ny ankohonana, eo amin'ny fiaraha-monina, ary rehefa itarina dia hatrany amin'ny firenena...
Alarobia 1 marsa 2023 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-32)
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco