♦ Nanomboka androany tatsy Addis-Abeba, Etiôpia, ny "Sinaody Eglizy miara-dia", dingana kaontinataly ho an'i Afrika. Mahatratra 206 ireo mpandray anjara avy amin'ny faritra ao Afrika sy avy aty Madagasikara... ♦ Niverina ao amin'ny Lakandranon'i Môzambika, androany maraina, ny sisan'ilay rivodoza Freddy. Mantanjaka ireo tangoron'oram-baratra miaraka aminy, saingy mbola lavitra ny foibeny, hoy ny Sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro... ♦ Tafakatra 94% ny taham-pandoavan-ketra teto amintsika tamin'ny taon-dasa. Vola 3608 miliara Ariary no niditra anatin'ny kitapom-bolam-panjakana, noho ireo fampidiran-ketra samihafa...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...