• Tokantrano maherin'ny 2 hetsy sy 1 tapitrisa avy amin'ny faritra 22 eto Madagasikara ankehitriny, no misitraka ny tetikasa Hataon'aina izay tanterahan'ny FID... • Niroso tamin'ny fandravana trano miorina tsy ara-dalana teo amin'ny taniny teny Manazary Betsizaraina Ilafy androany, ny orinasa SEIMAD... • Miantso ireo Parlementera mba hijoro sy hiaro ny tombontsoan'ny vahoaka nifidy azy ireo, ny antoko MMM, tao anatin'ny fanambarana navoakany...
Ny finoana dia mampisy ny tsy misy ary ny vavaky ny maro mampisy fanantenana ; ny fahaiza-mihaino dia tena fototra tsara mahatsara ny fiaraha-monina, manampy azy ny fifanakaikezana am-po. Misy fetra ny fizahozahoana sy ny tanjaka, ary mety hakasika ny taranaka ny voka-dratsiny. Valio soa ireo izay manao ratsy anao fa singa mahasoa ny fiaraha-monina, ny asa ary ny firenena ny ezaky ny tsirairay... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
22 mey — Teraka tao amin'ny tanana kely tao afovoan'i Italie i Rita tamin'ny taona 1381, efa zokiolona ireo ray aman-dreniny vao niteraka azy ary nobeaziny tao anatin'ny fitiavam-bavaka tany amin'ny fiainan-drelijiozy izy ka mbola kely dia efa nankafy ny fanginana sy ny fahaiza-manaiky.
Ny reny no akaiky sy maharaka indrindra ny fiainan'ny zanaka indrindra ny fianarany. Ny reny dia feno fanekena : nanaiky ny ho vady ary nanaiky ho reny, nitondra 9volana an-kibo ; ny reny dia misy fifamatorana amin'ny zanaka. Mitebiteby sy mihevitra hatrany ny fianaran'ny zanany ny reny ; afaka mamarana amin'ny fomba mahomby kokoa ny taom-pianarana miaraka amin'ny zanany ny reny, famerenan-desona, fanomanana fanadinana... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco