Dei dia midika Andriamanitra, ary ny Verbum dia teny, ny Dei Verbum kosa dia azo adika hoe tenin'Andriaminitra. Andriamanitra miteny (Andriamanitra Ray), ilay tenin'Andriamanitra tonga nofo (Jesoa Kristy), ilay teny no lasa soratra dia ny Baiboly. Ny Eglizy dia mampianatra ny Tenin'Andriamanitra izay sarotra azo, raha tsy misy manazava, sy mampianatra eny na nadika tamin'ny tenim-pirenena maro... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Hanokafana fanadihadiana ilay tranga nahafatesana miaramila telo nandritra ny filatsahana an'elonaina tany Arivonimamo. Hosokafana ny vaomiera itambarana miaraka amin'ny tafika frantsay, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena... • Mpiasa 600 amin'izao no efa voaroaka, noho ny fatiantok'ireo orinasa eto amintsika mandefa entana any Etazonia, vokatry ny fiakaran'ny haban-tseranana ho 15 %, araka ny tatitry ny Randrana Sendikaly... • Mpilaloa fito avy eto an-toerana, hanao lalao famaranan'ny CHAN, no nantsoin'i Corentin Martins hanatevina ny Barea A, hiatrehana ny fifanintsanana Mondial 2026 amin'ny volana septambra. Nivoaka androany ny lisitra ofisialy mirakitra izany...
• Miady dia miady ny lalao baolina kitra eo amin'i Madagasikara sy i Soudan. Lalao manasa-dalana voalohany amin'ny CHAN 2025 tanterahana any Tanzanie... • Ilana fanapahan-kevitra politika sy fahasahiana ny fampiasana ny rafi-pitsarana Fitsarana Avo na ny HCJ, raha te hanafoana ny tsimatimanota, hoy ny Solombavam-bahoaka Fetra Rakotondrasoa... • Nanome lanja ny fanabeazana ara-tontolo iainana ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Misy ny Ivon-toerana ibeazana ara-kolontsaina mirindra amin'ny tontolo iainana na ny IIKT, natokana hanabeazana ny olom-pirenena rehetra anavahana, eo ambany fiadidiany...
Masina Maria dia famantarana manambara fanantenana azo antoka ary fanalana alahelo ny vahoaka an'Andriamanitra mivahiny ety an-tany. Ary amin'izany ny Renin'i Jesoa dia efa henimboninahitra vatana sy fanahy any an-danitra ka santatry ny Fiangonana sy ny endriny araka ny ho toetrany any amin'ny taona ho avy, dia famantarana mamirapiratra manambara fanantenana azo antoka... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco