Fianakaviana iray, Alphonse sy Ramatoa Olga ary manana zanaka lahy iray atao hoe Pascal, azo sokajiana manana ny mahaizy ary manana fototr'asa tsara. Ny fianakaviana Rebeka, fianakaviana sahirana, niezaka nitady hevitra hampivoarana ny fianakaviany anefa ilay ramatoa renim-pianakaviana. Samy nividy trano sy tany amin'ny toerana tsy lavitry ny renivohitra ireo fianakaviana ireo, tsy nampozina anefa fa trano iray sy tany mitovy no namidin'ny mpisoloky tamin'izy ireo...
♦ Notontosaina omaly tao amin'ny Katedraly Masina Maria Vonjy Mahatoky, Diôsezin'i Tsiroanomandidy, ny fanamasinana ireo pretra dimy mirahalahy... ♦ Manentana antsika mianakavy hanohy ny vavaka totoafo amin'ny fangatahana ny hanandratrana ho eo amin'ny laharan'ny olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa, ireo tompon'andraikitra mikarakara izany... ♦ Fivahinianana masina teny Berivotra no namaranana ny Filankevitra Pastôralin'ny Diôsezin'i Mahajanga omaly...
Mila olom-banona, olom-pirenena, olom-piangonana ny vahoaka sy ny firenena indrindra ireo taranaka. Izany hoe olona mahatanteraka ny adidy, miezaka manampy ny hafa ho fanasoavana ny besinimaro. Raha ny tranganà kolikoly sy ny fanararaotana sy ny fanodikodiana volam-bahoaka no betsaka dia sarotra ny hampandroso firenena noho izany dia adidy ny famolavolana ny taranaka mba ho tombontsoa iombonana... Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Notanterahan’ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, tamin’ny alarobia 13 aogositra 2024 ny fanendrena ny pretra ho an’ny asa fanirahana mandritra ny taom-pikatrohana 2024-2025. Misy ireo mbola manohy ny andraikiny teo aloha, misy kosa ireo voatendry hiandraikitra iraka vaovao.
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco