♦ Velon-taraina ny fikambanan'ireo mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara na ny FIASTRAMA fa misy misandoka ny vokatra avy amin'izy ireo hitsaboana ny marary... ♦ Manohy ny fanafihana ao an-tampon-tananan'Ambatondrazaka ny jiolahy mitam-piadiana. Miantso vonjy manoloana izany ny mponina... ♦ Olona 25 no atao famotorana tao aorian'ny vono olona nahafaty pôlisy tany Ambanja...
Alarobia 29 aprily 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 35-40 — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony ; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
♦ Tsy tokony hanaovana ady hevitra pôlitika ny voka-pikarohan'ny Malagasy mpikaroka hoy i Ramatoa Lalatiana Ravololomanana... ♦ Vehivavy miisa 160 hatramin'ny omaly no nisitraka ny fitaterana maimaim-poana mankany amin'ireo hôpitaly lehibe telo ampiharana ny fitaterana maimaim-poana ny vehivavy mitondra vohoka, iarahana amin'ny FNUAP...
Alahady 26 aprily 2020 — Alahady fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 13-35 — Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo ; ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco