Alarobia 14 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-28 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 42-46 — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.
Fanomanana ny tanora amin'ny fanambadiana. Fampahatsiahivana ireo antanan-tohatra mankamin'ny fahamatorana. Fampitana ny fomba fiorenan'ny fitiavana eo amin'ny lehilahy sy vehivavy. Fampahafantarana ireo singa mamelona ny faharetan'ny fitiavan'ny mpivady.
Alahady 11 ôktôbra 2020 — Alahady faha-28 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 1-14 — Ny teninao, ry Tompo no fahamarinana ; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.
Ny fiatraikan'ny fifandraisan' ny hafa eo amin' ny tena manokana. (07-10-2020)
Notendren’ny Papa François ho Evekan’ny Diosezin’i Farafangana, androany 31 oktobra 2024, i Mgr Marcellin Randriamamonjy, Evekan’i Fenoarivo-Atsinanana. Izy izany no handimby an’i Mgr Gaetano Di Piero, izay nitondra ny Diosezin’i Farafangana nanomboka ny 3 marsa 2018 ka hatramin’izao. Teraka ny 12 aprily 1963 tao Sandrandahy, Diosezin’Ambositra, i Mgr Marcellin, ary tao ihany izy no nanomboka ny fanabeazana fototra.
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco