Ny herisetra dia misy endriny maro toy ny risoriso ihany. Misy ny herisetra amin'ny vatana, amin'ny saina ary amin'ny fanahy ihany koa. Miteraka fahasimbam-piainana ireo herisetra rehetra ireo. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
♦ Hanatanteraka fitsidihana any amin'ny Distrikan'i Begavo, eo ambany fiarovan'i Masindahy Luigi Orione, ny 21 mey 2023, i Mgr Donatien Randriamalala, Evekan'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Mankalaza ny faha-60 taonany ny Sekoly Masindahy Josefa Morombe... ♦ Hotontosaina ny 14 mey 2023 ny fanamarihana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy Katôlika. Mikarakara izany ny avy ao amin'ny FFBKEM...
♦ Manatanteraka ny Fivoriambe voalohany, fanao isan-taona, ny Fivondranamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Hotanterahana ny 14 mey 2023 ny fanamarihana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Vehivavy Katôlika... ♦ Ho fanatsarana hatrany ny fanabeazana ao amin'ny Fanilon'i Madagasikara, dia nisy fiofanana nandritra ny telo andro, notanterahana ny faran'ny volana aprily teo, teny amin'ny Akamasoa...
Ny risoriso dia fanaovana zavatra tsy ara-dalàna sy tsy amim-pahamarinana. Ny fanaovana risoriso dia miteraka fahavoazana ho an'ireo manao azy, anefa mety hakasika ny rehetra ihany koa, izany hoe manimba zavatra maro. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco