Misedra fanamby maro ny tanora amin'izao fotoana izao. Mba ho afaka hiatrika izany dia ilaina ny fahaizana miaina ao anaty tontolo manaja ny soatoavina mifototra amin'ny fanabeazana lalim-paka, miaina ny maha-kristianina. Manana anjara toerana lehibe ny fanabeazana fony fahazaza ao anatin'izany fa eo ihany koa ny fanabeazana eny an-tsekoly sy ny fiaraha-monina. Mba ho tanora hafa kely tsy hanara-drenirano fa handanjalanja ny zavatra atao... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.
I Masimbavy Émérentienne na Émérance no tsaroan'ny Fiangonana rehefa 23 janoary. Niaina tamin'ny taonjato fahefatra i Émérentienne, andevo izy, zanak'ilay mpitaiza an'i Masimbavy Agnès. Nibebaka ho kristianina izy noho ny fahitany fiainan'i Agnès izay noraisiny ho toy ny rahavaviny mihitsy. Olona irey ihany moa no nampinono azy mirahavavy ireto.
Ny fitsipi-pifehezana sy ny fitondrantena ary ny fahalalam-pomba eo anivon'ny fiaraha-monina dia isan'ireo fototra sy andry lehibe ho an'ny fampivoarana ny fiainan'ny tsirairay sy ny fianakaviana. Ny fitsipi-pifehezana no antoka iray mahatsara fitondrantena ny olona iray. Ny fitsipi-pifehezana dia ny fiaraha-monina no manadrafitra azy : Sekoly, orinasa, tokan-trano, fiaraha-monina... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny takalo no talohan'ny varotra ; "fihaonana" ny niantsoana ny toerana nahafahana nifanakalo vokatra taloha fa ny Mpanjaka Andrianampoinimerina no nanova ny fiantsoana ny toerana mamaly ny fepetran'io takalo io ho "tsena." Ny takalo dia fifanakalozana vokatra na zavatra heverina fa mitovy lanja na vidy (Entana hasolo entana). Ny vola dia efa nisy taloha elabe ary ireo vazimba dia efa nampiasa izany ; ny vola tamin'izany andro izany dia natao hoe "Cauri na coris", vola nampiasaina taty amin'ny faritry ny ranomasimbe indiana sy ny vondrotrany Azia...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco