Isika eto Madagasikara dia marefo amin’ny fiovan’ny toetrandro, anisan’ny tratran’ny fatiantoka sy fahasimbana be indrindra isika : Tondra-drano – lalana potika – tetezana tapaka, Olona sy biby maty – fahaverezan’ny karazan-javaman’aina – zavatra tsy azo arenina intsony. Ny fatiantoka sy ny fahasimbana dia maharitra ary misy fiatraikany maro. Manana andraikitra isika amin'ny fanarenana ny tontolo odidin'ny toetr'andro : manao tetik'asa fanarenana, manentana sy manao haitaky ; ny fiangoanana afaka mandray antanana ireo traboina afaka manohana ara-tsaina sy ara-panahy... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny famonjena dia tanterahan'i Kristy ilay hany manalalana amin'Andriamanitra sy ny olombelona ; tian'Andriamanitra handray ny famonjena tokoa ny olombelona rehetra. Tsy an-tery ny fitoriana ataon'ny Eglizy na dia tiany aza ny handraisan'ny olona rehetra ny famonjena fa omeny lanja ihany koa ny fanajana ny feon'ny fieritreretan'ny tsirairay, fanajàna ny hafa... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
• Setroka fotsy no nivoaka tamin'ny fantson-tsetroky ny fifidianana Papa, tamin'ny 7 ora hariva teo. Nanakoako tao Vatican ny lakolosy, izay midika fa voafidy ny Papa faha-267, tao aorian'ny latsa-bato ny tolakandro teo... • Mafampana indray ny fifamaliana an-tserasera eo amin'ireo mpomba sy mpanohitra ny fitondrana, niainga tamin'ilay resaka “hozatra” iny. Hitondra ny fanehoan-keviny ny avy amin'ny RMDM... • Tsy hasiam-panitsiana ny lalana mifehy ny teti-bolam-panjakana taona 2025. Maniry ny hitondra fanitsiana teboka vitsivisty anatin'izany anefa ny Solombavam-bahoakan'ny Antoko Fivoi...
08 mey — I Md Désiré dia teraka tao Sancy tamin'ny fiatombohan'ny taonjato faha-6. Nobehazina tamin'ny fitiavam-bavaka kristianina izy sy ny fandalinana ny haisoratra, niaraka tamin'ireo rahalahiny roa, ary fantan-daza tao an-tanàna tamin'ny hatsaram-panahiny.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco