Vita iny ny fihaonana an-tampony faha-45-n’ny SADC natao teto amintsika. Tsapa ho nanao izay nahafa-po azy mihitsy ny mpitondra tamin’ny fikarakarana rehetra. Namirapiratra sy nadio ny arabe fa handehanan’ny vahiny, nirentirenty ny sarin’ireo Filoham-panjakana sy Lehibena Governemanta nanatrika ny fivoriana teto amintsika. Ny Malagasy rahateo hono malaza mandray vahiny. Hita tokoa aloha fa nahay nifanaja ny samy Malagasy nandritra iny fahatongavan’ny vahiny iny: tsy nisy hetsika politika na korontana, fa samy nampangina ny ambom-po politika. Asa ho fitandroana ny hasin’ny firenena ve sa nanaiky tsy sazoka ny fanerena (ankoalaka)?
Alahady 17 aogositra 2025 : Alahady faha-20 mandavantaona "D" - "Tolona ambony vatolampy ny fiainana, izay manao tan-tsy vinitra no vaky loha" ; Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako. Eo ady hita maso eo amin'ny fiainana andavanandro, fa ao koa ny ady amin'ny fahotana manakana antsika tsy hiraikitra amin'Andriamanitra. Maika mihitsy i Jesoa handrehitra ny afo, izay afo-pitiavana handrehitra ny fon'olombelona, manainga antsika hanaraka izay nataony. Afo ahitana ny rariny : fitiavana, fanadiovana, fanadiovana...
Fahombiazana no azo amehezana ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny Toe-karena eny ambanivohitra (FIER MADA) andiany faha-26, natao teny amin'ny kianjan'i Makis Andohatapenaka, nandritra ny 5 andro. Afapo ireo tantsaha aévy amin'ny Faritra 24 nitondra ny vokany teto an-drenivohitra. Tonga marobe ny mpitsidika. Nahatratra 100.000 ireo olona nifamezivezy teny Andohatapenaka nandritra ny fotoana nanaovana ny Foara...
Amin'ity taona 2025 dia feno 75 taona no nambaranan'ny Papa Pie-XII, tamin'ny fomba manetriketrika ny 1 novambra 1950, fa rehefa nahavita ny fivahinianana Masina teo an-tany i Masina Maria dia nampiakarina "vatana" sy "fanahy" any amin'ny voninahitry ny lanitra. Tsy niteny mihitsy ny Papa Pie-XII, mikasika izay mety ho fahafatesana na fitsanganan-ko velon'i Masina Maria fa nihanona tamin'ny hoe "nampiakarina" izy... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Notanterahina ny 16 jolay 2026 tao amin'ny Katedraly Kristy Mpanjaka Miarinarivo ny fanaovam-beloma farany an’i Mgr Raymond Julien Razakarivony... • Afafy ka meva ny finoana, io no sori-dalana pastoraly natolot’i Mgr Jean de Dieu Raoelison ho an’ny Arsdiosezin’Antananarivo... • Nosoniavina ny 16 jolay 20026 ny “Déclaration de Rome” momba ny fandraisana andraikitra manoloana ny fitaovam-piadiana nokleary sy ny saina voatran'olombelona...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco