Manana anjara toeana lehibe amin'ny fanabeazana sy fanomanana ny ankizy hiatrika ny ho avy ny sekoly, ny Fiangonana ary ny fiaraha-monina, amin'ny alalan'ny fiaraha-miasa sy ny fanabeazana ara-tsaina, ara-moraly ary ara-panahy. Ny fanorenana ny ho avy tsara dia miainga ao amin'ny fianakaviana amin'ny fifandraisan'ny mpivady izay tokony hiorina amin'ny fifankatiavana, fifanajana ary fifampiresahana. Modely ho an'ny zanany ny ray aman-dreny ka andraikiny ny mampita soatoavina tsara toy ny fanajana, fifampitsinjovina, fahamarinana ary fandraisan'andraikitra... Fandaharana "Fibeazana Miaina sy Mitia", iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagascar...
• Miatrika lalao ho an'ny dingana fifanintsanana CAN 2027, ny Barean'i Madagasikara amin'izao hariva izao. Lalao ihaonana amin'ny Guinée Bissau, any Maroc… • Voahaja ny tetiandro ho an'ny fanavaozana ny fifidianana sy ny fikaonandoham-pirenena, hoy ny Minisitra misahana ny Fanavaozana. Nihaona tamin'ireo iraky ny sehatra irasam-pirenena tonga eto amintsika izy androany… • Hampitomboina ny tetibola natokana ho an'ny fanadiovana eto Madagasikara. Nivory nandinika izany, teny amin'ny Lapan'i Mahazoarivo androany, ny Governemanta sy ireo mpiara-miombona antoka…
Araka ny tantara, ny 11 novambra 1918 no niafaran'ny Ady Lehibe Voalohany, isan'ireo nandray anjara tamin'izany ny Malagasy, porofon'izany ny fanaterana voninkazo eny Anosy (Antananarivo) ho fahatsiarovana ireo lavo tamin'izany ady izany. Misy hasiny sy dikany ny tantara ary tokony omena lanja amin'ny sehatry ny fanabeazana sy ny fampianarana ny zanaka Malagasy. Zo fototra ny mifidy ka azo lazaina ho fahavalom-pirenena ireo izay tsy mandeha manao izany satria mijery fotsiny ny loza manjoa ny fireneny. Ny fifanankalozan-kevitra sy ny fifampiresahana no fototry ny soa... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny hoe antitra dia ireo olona efa osa, tsy ampy fahasalamana sy tanjaka entina miasa, verivery saina sy fitadidiana ; ny zokiolona kosa dia ireo olombelona 60 taona no mihoatra. Tsy tokony ary ilaina hitandremana ny fanilikilihana ireo zokiolina sy ny antitra. Ho fitsimbinana ny aina sy ny hery dia tsara no handanjalanjana ny fampiasana vatana, anefa tsy tokony hipetra-potsiny ihany koa. Ilaina amin'ny vanim-potoana maha zokiolona ny fanetseham-batana, eny fa na ny vanin-taolana ihany aza... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Nanomboka omaly ny Fihaonamben'ny Pretra Diosezanina, any amin'ny Diosezin'Antsirabe. Pretra manodidina ny 1126 no miatrika izany… • Hifarana rahampitso 14 novambra 2026, ny fisoratana anarana ho an'ireo rehetra hiatrika ny famaranana ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny Pakan'i Md François… • Nihaona tamin'ireo niharan'ny fanararaotana tao Lima, ny Papa Léon XIV…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco