• Tsy maintsy manorina orinasa manodina vokatra ato anatiny ireo orinasa mikasaka hitrandraka harena an-kibon'ny tany eto amintsika, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara... • Milaza hiverina an-kianja indray rahampitso zoma, ireo tanora mivondrona ao amin'ny Gen Z. Hiainga eny Ambohijatovo izy ireo, ary hihazo ny Kianja 13 mey... • Miteraka tsy fitovian-kevitra eo amin'ny samy mpanao gazety ny dingana natao amin'ny hifidianana izay mpanao gazety hisolo tena ny OJM ao amin'ny CENI...
Ny fahitsiana dia ilaina amin'ny fanavaozana ny firenena : fizaràna vaovao, fampahafantarana ny vola nisy nanodikodina, miaina anaty firaisan-kina. Singa miavaka anaty fanavaozana ny fahafahana maneho hevitra, ny fahafahana manaparika hevitra noho izany dia tsy voatery ho rafitra fotsiny no atao hoe fanavaozana. Ny fanavaozana dia miainga amin'ny tsirairay, ilàna fahitsiana ny fandraisana andraikitra. Kihon-dalana lehibe ny misy maneran-tany noho ny ady any Moyen-Orient, manova fo, toe-javatra ny vavaka... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Na sokajiana ho olon-dehibe aza ny olona iray dia azo antoka foana fa misy zavatra hafa mety tsy hananany traik'efa taminà andram-piainana. Ny olon-dehibe dia efa matotra, efa tompon'antoka amin'ny fiainany, mahaleo tena sy manana traik'efa. Tsy fanabeazana intsony no tena omena ny olon-dehibe noho ireo traik'efa efa ananany, fa tantsoroka no omena azy, izany hoe fanampiana. Ny fientanam-po dia tokony ho hay ny fitantanana azy sy ny fanahy... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Nomen'Andriamanitra safidy malalaka ny olombelona hanao ny tsara sy handositra ny ratsy. An-tsitra-po malalaka mandrakariva anefa no itodihan'ny olona mankamin'ny tsara. Ny tena fahafahana ao amin'ny olombelona dia mariky ny maha-endrik'Andriamanitra azy. Ny fahamendrehan'ny olombelona dia mandidy azy hanao zavatra an-tsafidy malalaka ara-kônsiansy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
• Notanterahina ny 16 jolay 2026 tao amin'ny Katedraly Kristy Mpanjaka Miarinarivo ny fanaovam-beloma farany an’i Mgr Raymond Julien Razakarivony... • Afafy ka meva ny finoana, io no sori-dalana pastoraly natolot’i Mgr Jean de Dieu Raoelison ho an’ny Arsdiosezin’Antananarivo... • Nosoniavina ny 16 jolay 20026 ny “Déclaration de Rome” momba ny fandraisana andraikitra manoloana ny fitaovam-piadiana nokleary sy ny saina voatran'olombelona...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco