Ny fahatsiarovantenan'ny tsirairay no fanohitra ho amin'ny fitiavan-tanindrazana. Isaky ny manao fanamarihana sy fankalazana ny fitsingerenan'ny taona namerenana ny fahaleovantena ho an'i Madagasikara dia misongadina hatrany ny teny hoe "fitiavan-tanindrazana". Ny atao hoe fitiavan-tanindrazana dia azo adika ho fitiavana an'i Madagasikara ; azo haseho amin'ny alalan'ny fitafiana, fiteny, kolontsaina, fanabeazana na zavatra na toetra amam-pihetsika hafa maneho ny maha Malagasy ny fitiavana ny Tanindrazana... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny reniala na ny Baobab dia hazo manana ny lanjany ho an'ny Mikea satria manampy azy ireo amin'ny fitahirizana rano ho sotroina noho ny toe-tany main-dava any amin'ny faritra misy azy ireo. Ny mozika "BEKO" no isan'ny mampiavaka ihany koa ny Mikea izay mifamatotra amin'ny fiainany andavanandro toy ny fotoana famoran-jaza sy ny fanamadihana ary indrina amin'ny fotoana misy fahafatesana. Ny Mikea dia mandala ny lalam-pihavanana momba ray izany hoe ny raim-pianakaviana no masimandidy amin'ny fitarihana ny ankohonana. Fanamby lehibe no miandry ireo Mikea noho ny fandrosoana miitatra ka mandindona ny fonenan'izy ireo...
Didy fahadimy amin'ny Didin'Andriamanitra ny hoe "Aza mamono olona". Ny mamono olona tsy amin'ny rariny, na mamono tena no voarara amin'io didy io, izany hoe famonoana olona noho ny fankahalana, na managadra olona noho ny valifaty, managadra olona noho ny tombontsoa, ny famonona ireo marary ho fampitsaharana ny fanaintainany, ny manala zaza sy ny mikapoka vehivavy mitondra vohoka. Fahotana lehibe ny famonona olona satria misandoka ny fahefan'Andriamanitra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 21 jona 2026 - Alahady faha-12 mandavantaona — A — : Mahatoky Andriamanitra ka reseo ny tahotra ; Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. Teny miverimberina anatin'ny Evanjely ny hoe "Aza matahotra" fantatr'i Jesoa fa io no sakana tsy afahantsika manaraka ny diany (tahotra ho very asa, tsy fahombiazana, aretina, very fananana, haneho sy hanoehoan'olona hevitra, fanenjehana, fiainana sarotra, tahotra hijoro amin'ny marina) Kanefa ny Tompo no herin’ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany....
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco