.../… Niteraka fifandroritan-kevitra samy nanana ny azy teto amintsika ilay didim-panjakàna 2026-2100 nivoaka ny 31 Aogositra 2026 teo momba ny fampiharana ny fandaharam-pibeazana vaovao. Toa ny sosoa notapohan-drano tokoa mantsy ireo tompon’andraikitry ny fampianarana amin’ny sekoly tsy miankina, fa tsy maintsy ampiharina amin’ity taom-pianarana ity izy io. Isan’izany ny fanafoanana ny Sokajy A Une, A 2, ny C sy D ho an’ny fanadinam-panjakàna bakalorea. Foana ihany koa ny sokajy A sy B ho an'ny fanadinana BEPC. Notapahana koa fa hisy amin’izay ny taranja anglisy ho an'ireo kilonga miatrika ny fanadinana CEPE manaraka eo...
Nambaran’ny teo anivon’ny Fanjakàna fa tsy fotoan’ny ady hevitra momba ny votoatiny intsony izao, fa ny dinik’asa amin’ny fanatanterahana ny didim-panjakàna no mila atao. Teo no nahatonga ny tsy fitoviam-pijery. Ireto fanapahan-kevitra roa farany nambara teo aloha tsy dia niteraka resabe, fa ny momba iry voalohany no tena tsy nampitovy hevitra.
Mazava ny valin-tenin’ny avy amin’ny tsy miankina fa tsy azo tanterahana io didim-panjakàna io. Hentitra izy ireo nilaza fa tsy mpanatanteraka fotsiny fa tena mpiara-miombon’antoka amin’ny sehatry ny fanabeazana izy ireo, ka teo am-pamolavolana ny didim-panjakàna no tokony nisy ny fifampidinihana.
Fanontaniana mipetraka avy amin’ny olom-pirenena koa ankoatra izay ny mety hitovian’ny fiaingana sy fiafarana eo amin’ireo ankizy sy tanora beazina raha ampiharina io didim-panjakàna io. Sa dia atao tsapatsapa amin’ny faritra iray amin’ny akoho izy ity, ka raha tsy atody dia maloto, hoy izy ireo, ny sehatry ny fanabeazana ny taranaka malagasy.
Ny mpianatra eo ihany, raha irosoana ity fanovàna ity, fa ireo mpampianatra koa no tena ipetrahan’ny fanontaniana. Tena efa ampy traikefa amin'ny fampiharana ny fandaharam-pibeazana vaovao ve izy ireo? Ahoana ny ho fiantraikan'izany eo amin'ireo mpianatra? Nilaza moa ny fanjakàna fa efa nanofana mpampianatra marobe momba izany izy ireo. Dia ahoana izany ny any amin’ny fampianarana tsy miankina izay nilaza fa mbola tsy niomana tamin’izany? Sa samy mande samy mitady araka ny hiran’i Jaojoby izy ity?
Ho tony koa ve ireo ray aman-dreny, manoloana ny tsy fitoviam-pijery misy ankehitriny? Sao lahy ny ho avin'ny ankizy no ho lasa takalon'aina amin'izao zava-misy izao.
Soa ihany aloha fa mbola manana fahendrena nihaino ny olobe miisa telo amin’ny sehatry ny fampianarana teto amintsika ka nampiantso ireo olobe tompon’andraikitra misahana ny fampianarana tsy miankina ny zoma 18 Septambra 2026 teo nifampidinihana momba azy io. Notapahana nandritra izany fihaonana izany fa afaka mitazona ny fandaharam-pianarana nisy hatramin’izay ny fampianarana tsy miankina, hisorohana ny firotorotoaana be loatra sy ny tsy fahampian’ny fihomanana. Mbola hitohy kosa anefa ny fifampidinihan’ny teknisiana avy amin’ny an-daniny sy ny an-kilany mba ahafahana miatrika tsara ny fanovàna ny fandaharam-pibeazana tian-kapetra eto amin’ny firenena.
Ny tany misy olobe tokoa tsy miady zaza araka ny fitenintsika Malagasy izay. Raharaha saro-pady loatra ity sehatry ny fanabeazana ity ka tsy azo atao tefy maika ny famolavolana ny fanovàna sy ny fampiharana azy. Na ireo ray aman-dreny efa nisahana ny fanabeazam-pirenena teo aloha aza, tsy nangina fotsiny manoloana ity toe-draharaha ity, fa nanolo-kevitra. Tena ilaina hoy izy ireo ny fanovàna hanarenana ny fitontonganan’ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora eto amintsika, kanefa tsy tokony hatao maimaika ny fanovàna ny rafitry ny fanabeazana fa manimba zavatra izany.
Zary lasa fomba fanaon'ny mpitondra nifandimby hatramin'izay tokoa mantsy ny fikitihina na fanovana ny fandaharam-pianarana isaky ny misy fiovam-pitondrana. Tsara lamina mipetrapetraka ny drafitra ara teknika fampiharana saingy mandringa hatrany ny fanatanterahana. Tsy mitovy ny enti-manana sy ny foto-drafitrasa hanaovana ny fampiharana ho an'ireo sekoly miankina sy tsy miankina.
Matetika ihany koa mahazo famatsiam-bola iraisam-pirenena ny sahatry ny fanabeazana eto Madagasikara. Ka sanatria ve dia tahotra ny amin’izany no mahatonga ny mpitondra nifandimby manao tery vay manta ny fampiharana ny rafim-panabeazana efa nisitrahana fanampiana.? Niarahan’ny rehetra nahalala tokoa mantsy ny fampitandremana nataon’ny mpamatsy vola an’ilay ministry ny fanabeazam-pirenena tamin’ny fitondrana teo aloha raha nilaza izy fa hajanona ny fanantanterahana ny drafitra PSE, saingy niova hevitra avy hatrany taorian’izay.
Ny isavorovoroan-kilatoana hoy ny fitenin’ireo malagasy manam-pahendrena tany aloha tany. Tsara raha dinihina amin’ny fikaonandoham-pirenena ny fanovàna rafitry ny fanabeazana tiana hapetraka sy hampiharina eto amin’ny firenena raha toa ka isan’ny tafiditra amin’ny lahadinika ny momba izany. Izay tapaka amin'izany no havadika ho lalàna hampiharin'izay mpitondra mifandimby rehetra hitantana ity nosy malalantsika ity.
Izany no hatao dia mba ho aro fanina hisorohana ny fifanomezan-tsiny indray any aoriana any ka hilazana fa ny fitondrana toy izao na fitondrana toy zatsy no namotika ny fanabeazana eto amintsika. Samy tompon’andraikitra avokoa mantsy ny rehetra amin’izay fanapahan-kevitra iombonana izay amin’ny mety ho vokatry ny fanovana aterak’izany fa tsy hisy fifanilihana intsony.
Ny fanabeazana tokoa re olona no antoka iray voalohany amin’ny fandehanana mankany amin’ny fampandrosoana a! Ny fanabeazana no lalana iray na hanarenana na hanapotehana ny firenena. Ary harena saro-bidy hoan’ny taranaka faramandimby ny fanabeazana, hoy ireo ray aman-dreny tsy mitandro hasasarana mampianatra ny zanany.
Koa samia àry mijery ny tombotsoan’ny taranaka faramandimby ny tompon’andraikitra rehetra fa tsy handrirotra ny zava-misy ho any amin’ny tombotsoan’ny andaniny na ny ankilany avy.