Ny talenta dia azo trandrahina ho lasa asa fivelomana. Porofo azo tsapain-tanana ny fahaizana manao mofo "moschi", ohatra hafa koa ny asa-tanana tahaka ny ataon'i Ramatoakely Razaka Mahefa, izay mamorina haingo (pôketra, akanjo rafia...). Ny "moschi" dia mofo isan'ny mampiavaka ny Japone, ka ny tsaramaso no akora fototra amin'izy ity, misy karazany maro izy ity... Fandaharana "Zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.
Maro ireo fomba hanamaivanana ny fijalian'ireo fanahy mijaly ao amin'ny afo fandiovana. Miisa 3 no atolotra izao dia ny fampijalian-tena hatao an-tsitra-po sy ny fampijalian-tena tsy fanahy iniana; ny fahoriantsika ao anatin'ny fotoana fohy dia hitondra fahasambarana mandrakizay ho azy ireo. Ankoatra izay dia manampy azy ireo ihany koa ny fanaovana asa fiantrana amin-kerim-po, tena ilain'ny fanahy ao amin'ny afo fandiovana izy ity, ho toy ny ando mirotsaka tsy tapaka amin'ireo fanahy mijaly ao amin'ny toeram-panonerana sy manamaivana ny fijaliany no sady mahasoa antsika ihany koa. Ary ny fahatelo farany dia ny fanolorana lamesa ho an'ny fanahin'izy ireo, araka ny fijoroana vavaolombelona dia nisaotra ilay Pretra namany ny Pretra iray izay efa nodimandry, nisaotra azy tamin'ny fanafahana azy, "noho ny lamesa izay natolotrareo dia niala tao amin'ny afo fandiovana aho ary niakatra any an-danitra, mifanatri-tava amin'Andriamanitra, ilay niarahantsika nitsaoka fahiny".
Avantana amin'ny Ray amin'ny alalan'ny Jesoa Kristy ao amin'ny Fanahy Masina ny vavaka. Maneho sy manamafy ny fifandraisan'ny voaary amin'ny Mpahary ary io fiarahan'ny Trinite Masina ao amin'ny vavaka io. Ny lovam-panahy tamin'ny Apôstôly dia mampiharihary fa fototra ao amin'ny vavaka ny fitodiana amin'ny Ray ; loharanom-ptiavana ny Trinité Masina... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco