Manomboka ao anatin'ny vava ny taova fandevonan-kanina, lela, nify, tenda, aty, sarak'aty, vavony, tsinay. Antony mampikorontana ny taova : kalitao sy ny fatran'ny sakafo, matsiro loatra na mahatsatso loatra, sakafo matavy na tsy mahazatra, sakafo tsy sahaza, sakafo tsy zaka ; ankoatra ireo dia mety ho tsy fahasalamana mahazo ireo taova mandrafitra ny fandevonan-kanina, mety ho otrik'aretina, ny fisian'ny kantsentsitra ao anaty tsinainy. Isan'ny antony mampikorontana ny taova fandevonan-kanina ihany koa ny fikorontanan-tsaina... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
An'Andriamanitra ny aina. Izy no manome, Izy koa no maka hoy ny fahendren-dRazantsika. Adidy ankinin'Andriamanitra amin'ny olombelona ny fiahiana ny aina, ny miaro azy ; noho izany dia anadinan'Andriamanitra antsika olombelona izany. Tsy maintsy harovana amim-pitandremana lehibe ny aina... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
54 taona aty aoriana, toy ny taranaka roa mifandimby, 13 mey 1972 : fotoana nampiharihary ny tsy fifampitokisana teo amin'ny mpitondra sy ny vahoaka; hetsika nanome sy nametraka kianja ho an'ny fanehoan-kevitra dia ny kianja eo Analakely. Teny filamatra miisa telo no afahana manorina fiaraha-miasa sy fiaraha-monina tsy misy raorao: Fifampitokisana, Fahamarinana, Fitiavana. Mba ho fiarovana ny taranaka sy ho arofanina amin'ny rivotry ny "Saina voatran'olombelona" dia ilana ny fanokanana fotoana hifampiresahana mivantana ao an-tokantrano, fiarahana mialavoly... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Manohy ny ady sisika amin'ny fananganana ny Filankevitra ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-kolontsaina na ny CESC, ny firaisamonim-pirenena ROHY. Nihaona tamin'ny depiote izy ireo nifampifdinika sy nifampizara vaovao momba ny volavolan-dalana momba azy io... • Hiroso amin'ny fanarenana ny KRAOMA ny tompon'andraikitra. Mpiara-miombona antoka vahiny maro no efa vonona hiara-miasa amin'ity orinasa ity, hoy ny Tale jeneraliny, Kerone Idealson... • Natomboka tamin'ny fomba ofisialy androany ny tetikasa SABER, fampisakafoana an-tsekoly. Maherin'ny 4.000 ireo sekoly manerana ny nosy misitraka izany, amin'ity taom-pianarana 2025-2026 ity...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco