Ny aina dia manana ny hasiny. Misy ireto dingam-piainana ireto, azo sokajiana ho tena sarobidy satria fototry ny fitohizanaina dia ny ao am-bohoka izany hoe eo amin'ny fiforonan'aina hatramin'ny faha 9 volana, ny fiainan'ny menavava manomboka amin'ny fahaterahana hatramin'ny faha 2 taonany, ny dingaha maha zazakely dia 2taona hatramin'ny 5taona. Ilana famendrehana hatrany ny fandanjalanjàna ny fikoloana ny aina... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny "kipotsaka" dia karazan-dahabolana mifototra amin'ny tsilalaon-teny aman-kevitra. Ampiasaina rehefa hampita hafatra fohy izy io ka eo alohan'ilay fehezanteny na andiam-pehezanteny mirakitra ny tena hafatra dia andrafetana fehezanteny na andiam-pehezanteny tsy manana hevitra mifandraika mihitsy amin'ny votoatin'izay hafatra hampitaina amin'ilay itenenana. Ny foko Betsileo no tena mpiangaly ny kipotsaka, indrindra ireo tanora mifampilaza fitiavana. Ny lahabolana "kalita" no mitovitovy amin'ny "kipotsaka" fa iry voalohany dia somary misy rima...
Zava-dehibe ny fiainan'ny fianakviana, voatondro mazava ao anaty litania fa i Masindahy Joseph no lohan'ny fianakaviana masina. Ny lehilahy loham-pianakaviana rehetra dia entanina haka tahaka an'i Masindahy Joseph, amin'ny fahaizana mitantana ny fianakaviana sy amin'ny fahatsorana. Manana adidy ny ray aman-dreny amin'ny fanabeazana ny zanaka amin'ny lafiny rehetra. Ny fiainam-pianakaviana dia tsara kokoa raha ombana hafaliana sy fifampiresahana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 08 martsa 2026. Alahady fahatelo - taona A - KAREMY - Mahatoky Andriamanitra : Ianao tokoa no Mpamonjy an’izao tontolo izao, ry Tompo, ka omeo amin’izany rano izany re aho, mba tsy hangetaheta intsony. Ny fatsakana dia toerana fihaonan'ny lehilahy sy ny vehivavy izay mitondra hatrany amin'ny fanambadiana ; ohatra ny fihaonan'i Jakôb sy Rasely, araka ny hita ao amin'ny bokin'ny Jenezy. Vehivavy manana olana maro, tandindon'ny olombelona rehetra anaty sedra sy sarotra ilay samaritana tafaresaka tamin'i Jesoa, anefa tojo fanantenana izy noho ny fahatokiana an'Andriamanitra miseho amin'ny alalan'ny Zanany...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco