10 febroary — Anabavin'i Masindahy Benoît avy any Nursie i Scholastique, toa hoe kambana mihitsy aza izy mianadahy ireo. Teraka ny taona 480 izy ary efa hatramin'ny fahazazany izy no nanoka-tena ho an'Andriamanitra. Taty aoriana dia niditra tao amin'ny trano ftiokana-monina ho an'ny vehivavy izy.
Ny vola sy ny harena ary ny fahefana dia fanomezana avy amin'Andriamanitra, vokatr'ireo ezaka natao. Ny fahantrana no zary efitra mampisara-bazana ny mpiray tampo sy mpiara-monina. Satria isika mpivahinin'ny fanantenana dia amporisihina ireo rehetra manana vola harena, fahefana mba hamorona asa ho an'ny hafa izay tsy manana fahafahana. Soatoavina tsara ny fifampitsinjovana sy ny fifanampiana ary fifampitokisana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Nanatanteraka fambolen-kazo ny Diôsezin'i Port-Bergé, tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo... • Natokana hiaraha-mankalaza ny taon-jobilin'ny mpitandro ny filaminana, sy ireo mpanakanto ary ny diakra, ity volana febroary... • Mizara ny finoany Ilay Andriamanitra mahavita zava-mahagaga i Masina Maria, hoy ny fampianaran'ny Papa, nandritra ny Audience Générale ny alarobia 5 febraory 2025...
25 taona nilofosana tamin'ny fampivoarana sy ny fampandrosoana ny teny ambanivohitra ny mpikambana ao amin'ny KOLOHARENA. Ny fikambanana KOLOHARENA izay fantatra tamin'ny fanapariahana ny famokarana miaro ny tontolo iainana. Nivohy sy nanaparitaka ilay vary atao hoe "DISTA" teto Madagasikara ihany koa.
• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco