• Nahita marimaritra iraisana ny mpivarotra ao Analakely sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Hiverina hivarotra ireo mpivarotra rahampitso, tao aorian'ny fifampiresahana tamin'ny Ben'ny Tananan'Antananarivo. Nidina an-dalambe nitady vahaolana maharitra moa izy ireo androany... • Voaheloka higadra telo taona sazy mihantona ny Kolonely Fanampera. Hainga ny fizotran'ity raharaha ity. Natao avy hatrany androany ny fitsarana azy tao aorian'ny fiakarany fampanoavana... • Tanterahana eny Ivandry nanomboka androany hatramin'ny alakamisy izao ny atrikasa iraisam-pirenena momba ny fitantanana ny fako sy ny fiharian-karena mitsingerina, aty amin'ny faritra Afrika Atsinanana. Miisa 14 ireo firenena mandray anjara amin'izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...