• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Manohana ny hetsika ataon’ireo fikambanan’ny tantsaha eny anivon’ny faritra hiatrika ny fampanjarian-tsakafo ny tambazotran’ny Sendikan’ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA. Amin’ny alalan’ny tetik’asa, “Hetsika ataon’ny fikambanan’ny tantsaha manohana ny mpikambana ao aminy ho lasa matihanina kokoa”, no anatanterahana izany.
• Nanao hetsika an-dalambe, niainga teny Andrefan'Ambohijanahary nihazo ny Lapa Maitso eny Anosikely, ny Mpanolotsain'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra sasany, manoloana ny fisian'ny “délestage” manerana ny nosy... • Antenaina fa hivaha ny olan'ny famatsiana herinaratra ho an'Antananarivo sy ny manodidina atsy ho atsy, rehefa vita avokoa ireo tetikasa samihafa fananganana “parc solaire”, ahazoana herinaratra avy amin'ny masoandro... • Hanamafy ny fiarovana ny ankizy tsy ampy taona, manoloana ny firongatry ny fanararaotana mamoafady sy ny famarinana ankizy ny tetikasa Mitovy, izay tanterahan'ny ECPATE France...
Ity taom-pikatrohana ity dia hifantoka kokoa amin'ny firesahana ny soatoavina "fihavanana" Kolontsaina Malagasy fototra. Mandringa ankehitriny ny fahaiza-miaina nananan'ireo Ntaolo, izay nanao ho zava-dehibe ny fihavanana mialoha ny vola, amin'izao fotoana izao mantsy "aleo very tsikalakalam-pihavanana toy izay very tsikalakalam-bola. Ny fihavanana, ny fifanajàna no afahana manorina fifanarahana. Raha te handroso dia mila manana tanjona sy mahafaritra dingana... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco