Mandia taona vaovao indray isika ankehitriny dia ny taona 2026. Taona vaovao fiandohana ho an’ny rehetra. Fotoana hanomanan’ny maro ny fanamby sy ny vina mba hihoarana amin’ny tsy mety na tsy fahalavorariana tamin’ny taon-dasa. Ho an’ny Radio Don Bosco manokana, dia Taona miavaka ny taona 2026, hanitsahana ny faha-30 taona nijoroany.
Radio Don Bosco: nanomboka nanakoako teto an-drenivohitra sy ny manodidina ny 27 jona 1996. Radio Katôlika ho an’ny Malagasy, naorin’ny Fikambanana Salezianina. Mifototra amin’ny fanabeazana ny maha olona manontolo ary tsy mivoana amin’ny fampianaran’ny Eglizy Katôlika Apôstôlika Romana. Onjam-peo tsy manavaka mpihaino ary miezaka hatrany manome ny tsara ho azy ireo. 30 taona nitoriana ny Vaovao Mahafaly. 30 taona nanabeazana sy nizarana vaovao, hahatonga ny mpihaino ho olom-pirenena vanona sy kristianina mendrika sady mandray andraikitra, araka ny tarigetran’i Masindahy Joany Bosco. 30 taona nampialana voly ny rehetra ihany koa. Nanandratra ny kolotsaina nisy tany amin’ny vazan-tany efatra.
Tsy azo hamaivanina fa isan’ny nanamarika ny tantaram-pirenena koa ny RDB. Hatrany ambanivolo afaka mandray ny 93.4Mhz. Miandry, manantena, miandrandra ny vaovao marolafy avy amin’ny RDB. Tsy nanao ambanin-javatra izay sehatry ny fampahalalam-baobao izay ny RDB. Onjam-peo, manana ny mampiavaka azy amin’izay fampahalalam-baovao izay. Tsy nitandro hasasarana nitrandraka ny vaovao misy sy marina teny anivon’ny fiaraha-monina. Miezaka hatrany amin’ny tsy fombana ankolafy fa mitatitra ny zava-misy marina. Tsy izay hahafaly ny mpitondra na hanasoaso ny mpanohitra na hamalifaly ny hafa no tanjon’ny RDB, fa ny filazana ny misy sy ny marina. Sady raha hifanasoaso eto koa anie, tsy maintsy hifanosihosy ihany no hiafarany e, ary izay lalan-diso izay no mazàna mampivaralila sy tsy mampandroso ny fiaraha-monina sy ny firenena manontolo. Nametraka, mametraka ary hametraka hatrany ho Arofanina ny tsy fitanilana amin’ny fanomezam-baovao. Ny arofanina, tsy natao ho fombana ny atsy na ny aroa. Henonay anefa ny akony, fa toa manohintohina ny sasany noho ny filazana ny marina. Ao koa ireo mitehaka sy mankahery. Tena arofanina ho antsika rehetra anefa ny tanjona amin’ny filazana ny misy sy ny marina eto amin’ny firenena. Firenena iombonana, tanindrazana iraisana ary fandrosoana ho an’ny rehetra no tena andrandraina.
Radio Don Bosco, 30 taona amin’ity taona ity. Raha olombelona dia tanora ao anatin’ny tanjany sy ny heriny tsara. Efa nanomboka ary manohy mamoaka an-tsary ny fandaharana sasany amin’ny alalan’ny RDB Live ny Radio Don Bosco ankehitriny. Arahan’ny maro any amin’ny faritra samihafa, eny hatrany ampitan-dranomasina. 30 taona nandia sedra maro samihafa kanefa nivadika ho hery mbola mampijoro azy hatramin’izao. Fotoana lava nandalovana ho an’ny RDB nanamarika zavatra maro. Mbola eto anefa ny RDB hamaritra ho avy vaovao indray.
Isaorana ny mpankafy ary isaorana ireo mpitsikera. Raisin’ny onjam-peo ho Arofanina hamehezana sy ho enti-manatsara hatrany ny asa amin’ny fampahalalam-baovao sy ny fandaharany manontolo izany. Toe-tsaina maneho ny maha mpiralahy mianala izany, ka ianareo ho tokinay, ary izahay ho tokinareo.