Ny fitiavana dia mifototra amin'ireto teny telo ireto : fifampitokisana, fifanajana, fitiavana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nifampitaona teny amin'ny ESCA Antanimena androany, niara-nakalaza ny Andron'ny Sekoly Ambony Katôlika, ireo sekoly ambony miisa valo mivondrona ao amin'ny ESSCATHO, eto Antananarivo sy ny manodidina... ♦ Nanangana vovonana pôlitika hafa indray, izy dimy mirahalahy nandrafitra ny vondron'ny kandidà 11. Nijoro androany ny “Kolektifa an'ny Malagasy”... ♦ Tsy mankasitraka ny hamindrana ny Distrikan'i Marolambo ho ao amin'ny Faritra Mangoro hijoro tsy ho ela, ny Fikambanan'ny terak'i Marolambo...
♦ Notendren'ny Papa François, androany 12 febroary 2024, ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe, i Mompera Jean Désiré Razafinirina... ♦ Aina mamelona sy manamafy ny fifandraisan'ny fianakaviana amin'Andriamanitra, ny vavaka. Io no tari-dàlana pastôraly, natolotry ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, entina hifanentanana amin'ny mpino rehetra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, amin'ity taona 2024 ity... ♦ Nankalazaina omaly ny Andro Maneran-tany ho an'ny Marary andiany faha-32. Samy nanana ny fanamarihana izany ny isan-diôsezy...
Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe, androany 12 febroary 2024, i Mompera Jean Désiré Razafinirina, pretra diôseziana, avy ao Toliary, Rektoran'ny Seminera Zokiny, Masindahy Jean Baptiste, Vohitsoa-Fianarantsoa.Teraka ny 5 mey 1975 tao Manombo-Atsimo, Toliara-II i Mompera Jean Désiré. Ny taona 1994 ka hatramin'ny taona 1997 izy no nandalina ny filôzôfia tao amin'ny Seminera zokiny, Vohitsoa-Fianarantsoa. Rehefa vita ny roa taona nanaovany ny "stage de régence" dia niverina tao Vohitsoa izy nandalina ny Teôlôjia, ny taona 1999 ka hatramin'ny 2002...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco