♦ Rariny ny fitombon'ny isan'ireo Solombavam-bahoaka, raha hoarina amin'ny isan'ny mponina amin'izao, hoy ny KMF/CNOE... ♦ Nampikaikaika ny mpanjifa ny fiakaran'ny vidin'ny siramamy hatrany amin'ny 6.200 Ariary isan-kilao. Ny fiakaran'ny haban-tseranana 32% no anisan'ny anton'izany, hoy ny fikambanana PMH... ♦ Naneho ny alahelony amin'ny tsy fisian'ny herinaratry ny JIRAMA ao Toamasina, ny Solombavam-bahoka Rolland Ratsiraka, androany. Efa tena fanaovana ho tsinontsinona ny vahoaka izany, hoy izy...
♦ Manohana an'i Madagasikara hanatsara ny fomba fiasan'ny fandintseranana malagasy, ny Governemanta Amerikana, amin'ny alalan'ny USAID... ♦ Manatevina ny isan'ireo teknisianina misehatra amin'ny ala, ny ao amin'ny Minisiteran'ny Fiarovana ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Mpiofana 30 no noraisina teny amin'ny Soanala Ambatobe, androany... ♦ Mitohy ao amin'ny kaominina miisa telo, any amin'ny Faritra Alaotra Mangoro, ny fandrakofana ala ny tetezan'ala Ankeniheny Zahamena, ataon'ny Foibe FAFIALA. Tetikasa dingana faha-2 nankinin'ny Conservation Internationale amin'izy ireo...
♦ Notendren’i Papa François ho Evekan’i Miarinarivo, tamin’ny sabotsy 9 marsa 2024, i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa… ♦ Hotanterahana ny 19 hatramin’ny 21 aprily 2024 ny pèlerinage miaraka amin’ny Olontsambatra Lucien Botovasoa, sady fanokafana ny faha-800 taona nandraisan’i Masindahy François d’Assise ny fery dimin’ny Kristy… ♦ Tsy sitrak’Andriamanitra hisy ho very na dia iray aza isika, hoy ny hafatry ny Papa François, tamin’ny vavaka Angélus, omaly… ♦ Niantso ny mba hisian’ny fiadanana sy ny fampihavanana ao Haïti, ny Papa François…
Alahady fahaefatra amin'ny karemy : tia antsika mpanota ny Ray ; lehibe tokoa ny fitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany tokana mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy. Ny farisianina dia olona tsy nifankahazo tamin'i Kristy anefa niantso azy hoe Mpampianatra, ho an'ny olona misokatra amin'i Jesoa dia hambarany aminy ny tsiambaratelon'ny famonjena sy ny batemy, ny misterin'ny fijaliana sy ny fitsangana-ko velona ary ny fitsarana farany. I Jesoa no fanomezana lehibe indrindra avy amin'ny Ray, mba hitondra famonjena ho an'ny olombelona sy hananana ny fiainana mandrakizay.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco