♦ Nidina teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny tolak'andro teo. Nilokaloka ireo tompon'andraikitra voakasika mivantana fa hanatanteraka ny fanatsarana ilaina hanafoanana ny kolikoly... ♦ Tsy misy miova ny fepetra hisitrahana ireo trano anatin'ny fandaharan'asan'ny fanjakana Malagasy, napetraka amin'ny faritra samihafa eto amin'ny nosy... ♦ Naotolotra ny fampanoavana androany ny raharaha Miah Raveloson, ilay tovovavy maty voadonan'ny fiara teny Nanisana ny 17 jolay. Ny tovolahy sakaizany ihany no nahavanona ny famonoana...
♦ Hifantoka bebe kokoa amin'ny fiomanana amin'ny fandraisana ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, ny fivorian'ny pretra ao amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana mandritra ity herinandro ity... ♦ Manodidina ny 877 ny ankizy sy mpanabe tonga niatrika ny “Journée Diocésaine des Enfants”, notanterahana tao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Ny mikasika ny fiombonam-po sy ny halemem-panahy no niaingan'ny fampianaran'ny Ray masina omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Alahady faha-16 mandavantaona - B : Andian'ondry eo an-tanan'Andriamanitra isika ; ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy. Ankehitriny, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny, dia tongan’ny Ran’i Kristy akaiky. Fa Izy no nahatonga antsika rehetra ho iray. Mazava ny teni'ny Tompo : Hangoniko ny sisa amin’ny ondriko ary hanangana mpiandry hiandry azy Aho. Arak'io voalaza io dia mila loza ny mpiandry manary sy manahaka ny ondry. Adidin'ny Fiangonana no mampanjary ireo voalaza ireo...
♦ Notokanana tamin'ny talata 16 jolay 2024, ny toerana izay misy ireo Masera Notre-Dame du Mont Carmel avy any Inde. Hiasa ao amin'ny faritra Avaradrano, Diôsezin'i Morondava... ♦ Nanomboka ny alakamisy teo ny andiany faha-40 amin'ny Fihaonambe sy Filankevitra Nasiônaly tanterahan'ny ACUM... ♦ Tanterahana any Asuncion, renivohitr'i Paraguay, nanomboka ny alatsinainy teo ny Fihaonambe faha-21 ho an'ireo miandraikitra ny Pastôralin'ny Tanora any Amerika Latina sy ny Nosy Caraïbes...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco