Nafampàna ny fanoherana voka-pifidianana ny herinandro teo iny. Olona am-polony no nosamborina, vokatr’izany tany Antsiranana sy tamina Kaominina roa tany amin'ny distrikan'i Vatomandry. Tsy takona afenina tahaka ny tafika andrefan-tanana, miharihary toy ny vay an-kandrina ny tsy faneken’ny olom-pirenena ny zava-misy. Tsy manaiky lembenana ireo milaza ho manana ny marina. Mbola misy amin’ireo kandidà ben’ny tanàna tsy afa-po tamin’ny vokatra navoakan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana, ankehitriny, no miandry ny ho vokatry ny fampiakarana fandravana didy eny amin’ny filankevi-panjakana.

Manana eo amin’ny telo volana eo ny filankevi-panjakana hikirakirana ireo fitoriana voarainy. Eo koa ireo kaominina 12 mbola hamerenana fifidianana. Mba tena haverina tokoa ve sa ho maty momoka toy ny tamin’ny 5 taona lasa? Eny e, mety mandeha koa ny kajikajy hoe: te hifikitra mafy amin’ny fitondrana ny mpitondra ankehitriny ka manao izay fomba rehetra hanamafisana ny sezany. Fomba iray hanamafisana ny fitondrana manko ny fahazoana ben’ny tanana maro an’isa, satria izy ireo no hifidy ny Loholona.

Ny tsy azo lavina aloha dia mampisy olana amin’ny firenena foana ny fanaovana fifidianana tato anatin’ny taona maromaro farany. Tsy hoe misy ny fifidianana lavorary akory, fa mahavalalanina ary mila hahafanina ihany ny zava-misy. Sao dia mitombona ihany ny hevitra voizin’ny mpanao politika sasany hoe: aleo diovina aloha ny tokontany. Ny vazivazin’ny olom-pirenena hoe sao tsy tokony asiana fifidianana intsony fa tendrena ny olona tiana hitantana e! Dia ho gaga ve isika raha mihena isaky ny misy fifidianana ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy? Entanina entanina foana ny olom-pirenena handeha hifidy. Somokotra ery isaky ny mihetsika ireo Fiaraha-monim-pirenena manao fanentanana. Avy eo anefa ahodina ny safidiny…

Isika tsy miditra amin’ny raharaham-pitsarana, saingy mahasadaikatra ihany ohatra ny zava-misy tany amin’ny kaominina Ambodinonoka Vatomandry: Nofoanana manontolo ny vato 74% azon’ny kandidà nitarika vonjimaika, ary ny nahazo 25% no lasa ben’ny tanàna. Tranga mbola tsy fahita firy izy ity, omen-tsiny ve raha nitroatra ireo mpifidy 74% ireo? Nentanina hifidy, lany andro, lany fotoana, namela ny asa aman-draharaha fa hoe adidy ny mifidy, nefa dia nandresy ny 74% ny 25%. Aza hitako… aza mahita ahy ka hoe hisy hamorona lalàna matematika vaovao koa eto amintsika atsy ho atsy ka ny 1 lehibe noho ny 2 (1>2)… Fa mbola tranga toy izany koa ny tany Antsiranana: nosoloina PDS haingana dia haingana ny ben’ny tanàna lanim-bahoaka tamin’ny salan’isa 65%, satria hoe niafina, ary raha niseho aza dia mety efa nosamborina.

Fihemorana sa fandrosoana izany rehetra izany? Voizina foana moa hoe: Madagasikara tsy maintsy mandroso, fa raha ambara koa ny zava-misy amin’ity resa-pifidianana ity dia ny hoe: misy kandidà atao tsy maintsy mandresy. Tsy maintsy handrisika ny mpifidy tsy hanaiky koa anefa izany! Ka tsy tokony asiana andraso andraso ny vahaolana. Manana telo taona eo isika, hanarenana ny tsy mety rehetra momba ny fikarakarana fifidianana andraisan’ny olom-pirenena anjara mivantana. ‘Ndao mba hodinihin’ny hery velona rehetra ny hisian’ny fifidianana madio, mangarahara, ary eken’ny rehetra, mialoha ny taona 2028. Aro fanina mety tsy hisian’ny fanoherana lava ny valim-pifidianana intsony izany, fa mba lany amin’ny rariny sy hitsiny izay mpifaninana mendrika. Fotoana izao hifampihainoana, na mpitondra na mpanohitra, raha tiana handroso tokoa i Madagasikara. Mandrisika antsika rahateo hiroso amin’izany ny Fiangonana. Tsy fahotana ny mifampihaino sy mifampidinika, raha hanatsara zavatra ho an’ity firenena iaraha-manana ity. Alao hery fa mahasoa izany…

[Miara-dàlana] Alatsinainy 17 marsa 2025

• Namangy ny Aomoneria Katolikan'ny Oniversiten'Antsiranana, i Mgr Benjamin Marc Ramaroson omaly 16 marsa 2025... • Nosokafana omaly tao amin'ny Diosezin'i Morondava ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny namoronan'i Masindahy François d'Assise ny “Cantique des créatures” na ny Antsan'ny zavaboahary... • Toerana iampitan'ny fahazavan'Andriamanitra ny tobim-pahasalamana, hoy ny Papa François omaly, tao anatin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranonkalam-pifandraisan'ny Vatican...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...