Alarobia 22 aprily 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 16-21 — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin'ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin'ny Ranao.
♦ Amin'ny alalan'ny didy hitsivolana avoakan'ny Filohan'ny Repoblika no nahafahana nindram-bola tamin'ny mpamatsy vola iraisam-pirenena noho ny tsy fahafahan'ny Antenimiera roa tonta mivory... ♦ Tsy hisy fihemorana ny fankalazana ny Fetim-pirenena sy ny fetin'ny Foloalindahy hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena... ♦ Mitady hiverina indray ny fanafihana teratany vahiny ao Antsiranana...
Alahady 19 aprily 2020 — Alahady faharoa amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 19-31 — Nino ianao, ry Tômà satria nahita Ahy ; fa sambatra izay tsy nahita ka mino.
♦ Mihatra mandritra ny 15 andro nanomboka omaly indray ny hamehana ara-pahasalamana eto Madagasiakra, araka ny didim-panjakana nolaniana nandritra ny Filankevitry ny Ministra... ♦ Nidinika niaraka tamin'ny tompon'andraikitry ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Vondron'ny Koperativa miasa ao an-drenivohitra na ny UCTU... Saika miandrandra fanampiana avy amin'ny fitondrana avokoa ny ankamaroan'ireo sokajin'olona tsy afa-miasa noho ny fihibohana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco