Famantarana hita maso maneho ny maha-iray ny finoana ny Papa Ray masina, ao amin'ny Fiangonana katolika. Ambaran'ny ny fampianaran'ny Fiangonana fa dimbin'i Piera Apostoly izy.
Mandritra ny vola jona isika dia manaja manokana ny Fo Masin'i Jesoa. Ilay Fon'i Jesoa, voatrobaky ny lefona tamin'ny zoma masina ; Fo Masina misokatra, mivaivaim-pitiavana, mampitobaka amintsika amin'ny alalan'ny rà sy ny rano, ireo fahasoavana manadio.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco