Ny Spoken Word dia azo adika malala hoe " Teny Lazaina" (mot parlé), iray amin'ny zava-kanto vita amin'ny teny ; miseho amina endrika fanehoana lahatsoratra amin'ny teny, izany hoe tononina na ventesina ho am-bava. Tsy lahatsoratra tsotra ny Spoken Word fa manakaiky kokoa ny "poezia", tsy praozy. Ny Spoken Word dia ventesina amin'ny feo mafy sy mazàna mora raisina ary amin'ny fomba mirehidrehitra (emphatique/plein amphase). Tany Etazonia, ny hetsika "Beat" sy ireo mpanakanto amerikanina mainty hoditra no nampiasa ny teny hoe "Spoken Word" ho an'ny teknikana pôezia ventesina amina feo avo sy mirehidrehitra miaraka amin'ny mozika...
Manamafy ny fifandraisana ny fikatsahana ny soa iombonana. Ny soa iombonana dia fitambaran'ireo fepetra ara-tsôsialy, ahazoan'ny fikambanana sy ny mpikambana tsirairay avy manatratra moramora kokoa ny fahalavorariany tanteraka sy manasoa ny olombelona rehetra. Tsy voatery ho zavatra mivaingana azo tsapain-tanana ny soa iombonana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
--- Enin-taona sy 18 andro aty aoriana, miverina sy iainana eto amin'ny tanin'nyRepoblikan'i Madagasikara indray ny hoe HAMEHANA. HAMEHANA hafaanefa fa tsy toa ilay HAMEHANA ara pahasalamana noho ny covid izay nampiharina nanomboka ny 21 mars 2020 izay naharitra am-bolana maro. HAMEHANA ara-angovo vokatry ny olan'ny solika indray no nihatra nanomboka ny 7 avril teo ary haharitra 15 ANDRO izany. Na dia samy zava-nisy avy any ivelany aza no nitarika ireo HAMEHANA roa ireo teto amintsika dia tsy mitovy velively ny fisehoany. Tsy azo tsapain-tanana mantsy ny aretina covid kanefa tonga niara-niriaria tamintsika tsy mba nifanarahana.....saingy tena ilaina sy AKORA TSY AZO IALANA kosa ny SOLIKA izay mbola afarana....
---/...Higadona tsy ho ela indray ny voalohan'ny volana Mey, andro natokana ho fanamarihana ny fetin’ny asa. Raha ny tantara no zohina dia ny 20 jolay 1889 nandritra ny fihaonambé faharoan’ny Sosialista maneran-tany no nanapahana ny voalohan’ny volana Mey ho andro natokana hanaovana fitokonana sy hetsiky ny mpiasa, ka ny tanjona dia ny hampihenana ny andro iasana ho adiny valo isan’andro. Tanteraka ny fitakiana tany amin’ireo firenena Eropeana maro. Lasa andro natokana ho fitolomana sy fitakian’ny mpiasa madinika ny zon'ny mpiasa izany ny taonjato faha 20....
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco