♦ Hotontosaina ny alahady 11 jolay 2021 ny fanamasinana ho eveka an'i P. Gabriel Randrianantenaina, notendren'ny Papa François ho evekan'ny diôsezin'i Tsiroanomandidy... ♦ Hotanterahana ny sabotsy 3 jolay 2021 eny Soavimbahoaka amin'ny 10 ora maraina ny Sorona Masina fisaorana an'Andriamanitra sy fametrahana araka ny fomban'ny Fiangonana ny maha lehiben'ny Fikambanana Frères des Écoles Chrétiennes an'i Très Cher Frère Julien Ratsimbazafy...
Nanatsara ny famokarana zezika kankana nofotorany nandritra ny taona maro Andriamatoa Ranaivoarisoa Basile, fantatry ny maro amin'ny solon'anarana Papa Bio...
Ny fanabeazana ara-pananahana mari-pototra dia mahakasika ny ara-batana, ara-tsaina, ara-po, ara-panahy ary ara-piaraha-monina. Ny ray aman-dreny no tompon'antoka voalohany amin'izany mba tsy hanara-drenirano sy hihinana amam-bolony izay hita sy re ny tanora. Ny tanora dia entanina hifampiresaka amin'ny ray aman-dreny sy ny mpanabe...
Nalaza tamin'ny fangalana sokatra antsokosoko tany anaty ala ary mpihinana ny henany hatramin'izay ny mponina ao amin'ny Kaominina Lazarivo, Fotadrevo, Soamanga, Anavo. Nihena ny fitrandrahana antsokosoko ny sokatra vokatry ny asa fanentanana amin'ny fiarovana ny sokatra any amin'ny faritra Atsimo-Andrefana. Hatao sakafo no antony hihazàn'ny olona ny sokatra indrindra fa amin'ny volana novambra hatramin'ny marsa...
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco