I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Ry kristiana havana, Ry vahoaka malagasy miombona ato anatin'ny FFKM. Tononinay ho anareo rehetra ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin' Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo izay miombona ao amin'ny Fanahy Masina. Ny teny fanevan'ny FFKM dia mampahatsiaro antsika ny andraikitra lehibe napetraky ny Tompo amintsika, dia ny mba hananantsika ilay fanahin'ny mpampihavana.
Ry kristianina havana sy isika vahoakan’Andriamanitra rehetra, homba antsika mianakavy anie ny Fiadanan’ny Tompo. Tapitra izay ny fotoana niomanantsika amin’ny fiavian’ny Tompo. Nanomana ny vatana sy ny fo amam-panahintsika isika, mba handray ilay MESIA nampanantenaina. Ka dia tonga tokoa ny Noely, fety lehibe mamin’ny fontsika indrindra, satria mampahatsiaro antsika ilay “Emanoela”; izany hoe: “amintsika Andriamanitra” (Mt 1, 23). Rahefa tonga Nofo tokoa i Jesoa, “Ilay hamonjy ny olony” (Mt 1, 21) dia nanambara tamintsika fa “Zanak’andriamanitra isika” (Jo 1, 12- 13).
• Notanterahina ny 16 jolay 2026 tao amin'ny Katedraly Kristy Mpanjaka Miarinarivo ny fanaovam-beloma farany an’i Mgr Raymond Julien Razakarivony... • Afafy ka meva ny finoana, io no sori-dalana pastoraly natolot’i Mgr Jean de Dieu Raoelison ho an’ny Arsdiosezin’Antananarivo... • Nosoniavina ny 16 jolay 20026 ny “Déclaration de Rome” momba ny fandraisana andraikitra manoloana ny fitaovam-piadiana nokleary sy ny saina voatran'olombelona...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco