Mitovy zo sy hasina ny olombelona rehetra eo anatrehan'Andriamanitra sy ny Fiangonana satria samy voaantso ho amin'ny Fahamasinana daholo na ny Eveka, ny Pretra na ny Diakra na ny Relijiozy na ny lahika. Na dia misy aza ireo voahosotra amin'ny laharana maha Eveka, maha Pretra sy maha Diakra dia ny andraikitra no tsy mitovy raha mitaha amin'ny Lahika fa ny antso dia mitovy... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
26 jona — Nataon’ny Fiangonana hatsiarovana an’i Masindahy Jean sy Paul, martiry niaina tamin’ny taonjato fahefatra, ny andro androany. Mpirahalahy i Jean sy i Paul, zanak’olona ambony saranga teo amin’ny fiaraha-monina izy mirahalahy ireto. Nitoetra tao Roma izy ireo ary niasa tao amin’i Constance zanakavavin’ny amperora Constantin.
Mivoatra ny tontolon'ny fanabeazana, indrindra manoloana ny fivoaran'ny haino aman-jery. Talohan'ny taona 2000 dia tsy nizarazara ny hevitry ny olona manoloana ny tranga sy ny zava-misy notanterin'ny haino aman-jery satria vitsy ireo orinasa nisehatra tamin'ny serasera. Ny fanabeazana tamin'izany dia nisy akony tsara, fa ankehitriny dia maro ny misehatra amin'ny seresasera, ary tsy misy sivana akory aza ny zava-misy aparitak'izy ireny... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco