Sarotra ny fiainana aty Argentine, hoy Fr Randriamalalatiana Harinala Romel, sdb satria miova avokoa na ny ora sy ny fomba fianarana, na ny olona sy ny fifampitondrana ao amin’ny ankohonam-piainana, na ny kolo-tsaina sy ny fiaraha-monina. Sedra atrehan’ireo misionera, tsy maintsy hihoarana izany. Mizara ny traikefa-piainany amintsika I Fr Romel.
Talenta miavaka ny ananan'i Danny... Fikirakirana ny hazo hanome endrika hafa ny finday.
Feno 50 taona katroka androany 13 desambra ny nanamasinana ho pretra an'i Jorge Mario Bergoglio izay lasa Papa François ankehitriny. Fanamasinana, 4 andro mialoha ny nanamarihany ny faha-33 taonanahaterahany.
Ankalazaina isaky ny 12 desambra ny fetin'i Notre-Dame-de-Guadalupe. Nitarika ny Eokaristia Masina ho fanamarihana izany tao Vatican, omaly, i Papa François izay Papa latino-amerikanina voalohany.
• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco