Manjaka ny fahapotehan'ny ala ao amin'ny tandavan'alan'Angavo, noho ny fanaovana tavy sy doro ala ka hanairan'ny mpiaro ny tontolo iainana ireo tompon'andraikitra handray fepetra. Tandindomin-doza ny famokarana manoloana izany hoy Andriamatoa Rakotondrazaka Jean de Dieu, filohan'ny fikambanana FIKITAMA, FIkambanana KIadin'ny TAntsaha Mangoro. Miharitra mantsy ny renirano manondraka ny famokarana.
Sitrak'Andramanitra ny fifampiankinan'ny zavaboary. Ny masoandro, ny volana, ny sedera sy ny voninkazo, ny voromahery sy ny fody : ny fahitana ny hamaroan'ny karazana sy ny tsy fitovian'izy ireo no midika fa tsy misy zavaboary na iray aza mahavita tena. Manana anjara toerana sy adidy manoloana ny hafa ny olombelona tsirairay. Katesizy momba ny firotsahana amin'ny fikambanana hikatsahana ny soa iombonana, iarahana amin'i P. Ranaivozanany Tina Jeannot.
♦ Andrasana rahampitso na amin'ny faran'ny herinandro ny fitsanganan'ny Governemanta vaovao. Mifanohitra ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Filoha tamin'ny fampiatoana ireo Minisitra sy ny fitazonana ny Praiminisitra, hoy ny mpahay lalana Clément Jaona... ♦ Mitaky ny mangarahara amn'ny fitantanana ny volan'ny mpiasa eo anivon'ny CNaPS ny Randrana sendikaly. Nanao hetsika teny Ampefiloha ity vondrona sendika ity androany, manaoloana ireo nampiasana ny volan'io tahiry io amin'ny sehatra samihafa...
♦ Ny FIKITAMA na FIkambanana KIadin'i TAntsaha MAngoro dia fikambanana miaro ny tontolo iainana ary miady amin'ny tsindrihazolena mianjady amin'ny tantsaha. Ity fikambana ity dia niforona tamin'ny taona 2015... ♦ Dauphin : biby mampinono, misy karazany roa dia ireo mivelona an-dranomamy sy ny an-dranomasina. Ny Platanistidés dia misy karazany 3-4 fa ny Delphinidés dia ahitana karazany 30, maneran-tany... ♦ Delta : nahita vahaolana hamahana ny olan'ny tsy fampian-drano noho ny fiatraikan'ny fiovaovan'ny toetrandro any amin'ny Kaominina Bemanonga distrika Morondava...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco