♦ Ankizy avy amin'ny Diôsezy 22, manodidina 15.000 no miatrika ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy, andiany fahatelo, tanterahana eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nanomboka omaly hatramin'ny alahady ho avy izao... ♦ Mangataka vavaka ho an'ny tanora maneran-tany ny Papa François, mandritra io volana aogositra ho avy io... ♦ "Araraoty hananganana ny ho avy ny hatanorana", hoy ihany Papa François amin'ny hafatra nomeny ireo tanora izay manatanteraka fihaonana hatramin'ny alahady izao, ao amin'ny "Sanctuaire de Medjugorje" any Bosnie-Herégovine...
Resy lahatra amin'ny maha zava-hehibe ny famokarana ara-biôlôjia, ireo tantsaha miara-miasa amin'ny fikambanana Tsiky Tsika, ato amin'ny Faritra Analamanga. Isan'izany Rabadaoro Tsimatahomanana, monina ao amin'ny Fokontany Soanavela, Kaominina Fihaonana, Disitrikan'Ankazobe.
Voahozona ny tany : mikomy ny tany, mikomy amintsika ny voahary. Tsy maintsy misasatra sy misahirana ny olombelona mba hamerina amin'ny laoniny ny zava-boahary. Ny olombelona dia tsy maintsy manompo ny zava-boahary : mamelonan mamerina amin'ny laoniny ny zavatra rehetra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy androany, teny amin'ny Kianjan'ny ESCA Antanimena, ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy, andiany fahatelo... ♦ Nampanantena ny mbola handray sy handinika ireo tolo-kevitra hanatsarana ny zotram-pifidianana ny Filohan'ny CENI. Fanintelony androany io Vaomiera io no nihaona tamin'ireo mpisehatra voakasiky ny fifidianana amin'ity taona ity... ♦ Mbola hanohy ny hetsika "Oniversite maty" ny sendikàn'ny mpampianatra mpikaroka eny Ankatso. Handinika ny ho fivoaran'ny fitakiana sy ny ho tohin'ny hetsika izy ireo...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco