♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy androany, teny amin'ny Kianjan'ny ESCA Antanimena, ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy, andiany fahatelo... ♦ Nampanantena ny mbola handray sy handinika ireo tolo-kevitra hanatsarana ny zotram-pifidianana ny Filohan'ny CENI. Fanintelony androany io Vaomiera io no nihaona tamin'ireo mpisehatra voakasiky ny fifidianana amin'ity taona ity... ♦ Mbola hanohy ny hetsika "Oniversite maty" ny sendikàn'ny mpampianatra mpikaroka eny Ankatso. Handinika ny ho fivoaran'ny fitakiana sy ny ho tohin'ny hetsika izy ireo...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...