♦ Hotanterahana ny 12 febroary 2023 ny fametrahana araka ny fomban'ny Fiangonana an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz ho evekan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Hankalazaina ny 15 janoary 2023 ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Donatien Francis Randriamalala ao amin'ny Diosezin'Ambanja... ♦ Manentana ny kristianina maneran-tany, ny Papa François, amin'ity volana desambra ity, mba hahitan'ny sampan-draharaha miahy ny maha olona, olona vonona hikatsaka ny soa iombonana...
Manana drafitr'asa vaovao 2023-2025 hampandrosoana ny lalam-pihariana ronono manerana ny nosy ny Malagasy Dairy Board na ny MDB. Natolotra tamin'ireo mpisehatra samihafa misahana ny fiompiana indrindra ireo misehatra amin'ny lalam-pihariana ronono, tamin'ny alalan'ny atrik'asa teny Antanimena izany drafitr'asa vaovao izany ny 25 nôvambra 2022 teo...
Tanan-dehibe maro mponina indrindra ny eto Antananarivo renivohitra, ary tsy afa-miala amin'ny vokatry ny fiovan'ny toetrandro fa mila miatrika na mitady fomba fanalefahana ny voka-dratsiny. Ndeha isika hanova fomba fiainana hiarovana ny tranobe iombonana. Kajio ny tontolo iainana, rehefa tsy mandoto isika dia efa isan'ireo miaro ny tontolo iainana ihany. Ny vahaolana amin'ny fiovan'ny toetrandro dia miantomboka amin'ny fandraisan'andraikitry ny tsirairay noho izany dia samia isika manao ezaka toy ny : fambolen-kazo sy ny fanajana ny fahadiovana...
Ny Fitiavana marina : fitiavana an'Andriamanitra sy ny fahatahorana Azy, ary koa, fitiavana ny hafa tahaka ny tena. Ity farany ity no fampiharana hita maso sy ren'ny fandrenesana ny fitiavana an'Andriamanitra izay tsy hita maso. Ny fitiavana dia natao ho an'ny olombelona tsy misy fanavahana : havana, namana, olona lavitra, ireo olona mpankahala antsika. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco