• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
26 Jona 2025, feno 65 taona amin’ity taona ity no niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Amin’ny maha firenena mahaleotena antsika izay, dia mari-pamantarana an’izany ny fananana ny sainam-pirenena. Manana ny sainam-pirenena mampiavaka antsika amin’ny firenena hafa i isika malagasy. Teo amin’ny tantara dia ny Romana sy grika no nampiasa ny saina voalohany nentina namantarana ny Fanjakana sy ny antokon-tafika tao aminy. Fampiasa tamin'ny sehatry ny ady hanavahana ny tafika mifanandrina avy ny saina. Tamin'ny taonjato faha 16 kosa vao nanana ny endriny fahita amin'izao fotoana izao ny saina dia ny lamba mihofahofa.
16 jona — Teraka ny 31 janoary 1597 tao Fontcouverte, Aude i Jean-François Régis. Tsotra ireo ray aman-dreniny. Ary mbola kely izy dia efa niseho ho apôstôly raha izy nianatra tao amin’ny kolejin’ny jezoita tao Béziers. Teo amin’ny faha-19 taonany izy no niditra tao amin’ny noviciat tao Toulouse, ary modely ho an’ny mpianatra rehetra izy tao.
Ny tazomoka dia fanaviana azo avy amin'ny kaikitry ny moka vavy (Anophele), io tazo io dia aretina mifindra sy mety hafaty, azo taboina. Ny tena fototry ny aretina dia kantsetsika afindran'ireo moka vavy, izay mivelona ao anatin'ny ran'izay olona voakaikitr'ireo moka ireo. Raha tsy voatsabo ara-potoana ny tazomoka dia mety hafaty ny olona marariny, tsy mifidra amin'ny olona samy olona ny tazomoka... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco